Tantara mikasika ny Malayalam

Vongan-dranomandry Fatwa, Mifanaiky Ny Hisintaka Ny Sehatra ilay Tarika Vehivavy Voalohany Tao Kashmir

  11 Febroary 2013

Nisintaka ny tarika voalohany tsy ahitàna afa-tsy vehivavy miangaly gadona rock avy any amin'ny faritra Indiana iray rotiky ny ady ao Kashmir taorian'ny didy iray navoakan'ny mpitari-pivavahana silamo iray milaza fa tsy mifanaraka amin'ny maha-Silamo ny fitondrantenan'ireo vehivavy. Lasibatr'ireo fanimbazimbana tety anaty sy ivelan'ny aterineto ihany koa ilay tarika mpiangaly mozika nandalo toy ny aloka.

Manorisory Olo-Tsotra ny Polisy ao Kerala, India

  15 Janoary 2013

Namelona adi-hevitra mafana sy ny fomba fitandroana ara-maoraly ny filaminana ao amin'ny fiaraha-monina ny tranga nisy tao Delhi. Ankoatra ny toetran'ny fiaraha-monina, ahoana raha ny polisy indray no manorisory ny olo-tsotra fa tsy misoroka amin'ny heloka tahaka izany? Vao haingana dia haingana tany Kerala no nahitana tranga telo tahaka izany izay niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy.

India : Adi-hevitra Manodidina ny Famonoana ho Faty Noho ny Fanolanana

  28 Desambra 2012

Delhi, sy ny fiantsoana azy mampiahiahy ho ‘renivohitry ny fanolanana’ no nanatri-maso indray ny fanaovana an-keriny  vehivavy 23 taona (jereo ny tatitry ny Global Voices), izay niteraka fihetsiketseham-panoherana goavana tao an-drenivohitra sy nanerana ny firenena. Noho ny fahasosorana tamin'ny herisetra farany teo, nitaky ny hahahentitra kokoa ny lalàna sy hanenjanana ny fanasaziana...

Amerika Latina: Fankalazàna ny Andron'ny Aterineto isam-paritra

  23 Mey 2010

Ny Andron'ny Aterineto dia hetsika fanao any Espana nanomboka tamin'ny taona 2005 ka niparitaka maneran-tany izay isaorana ny Firenena Mikambana, nanondro ny 17 Mey ho Andro Iraisam-pirenenan'ny Fiaraha-monin'ny fampahalalam-baovao. Tamin'ity taona ity, nisy hetsika maro naparitaka sy notontosaina tamin'ny alalan'ireo blaogy sy Twitter nanerana ny firenena maro any Amerika Latina....

Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin’ny Ramadany

  05 Septambra 2008

Ny volana masin’ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin’izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon’izany fankalazàna izany Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin’ny blaoginy Stories from the Past...

Ireo pejinay momba an i Malayalam

ml