Miarahaba an'izao Tontolo izao ary Tongasoa amin'ny taona 2012!
Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina.
Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay
Fibanjinana ny 2011
Ho an'ireo mpanao gazetim-bahoaka, mpitoraka blaogy sy ireo mpitsikera eny rehetra eny, taona tena nahatalanjona ny taona 2011. Sarotra ny maminavina fotoana talohan'ny ankehitriny izay niatrehan'ireo namanantsika sy mpamatsy antsika fandrahonana, fisamborana na herisetra anatin'ny mafy tahaka izao. Tsy ampy taona iray akory izay hatramin'ny nahitantsika dindo tahaka izany sy fiovana tao anatin'ny tontolon'ny mediam-bahoaka ao amin'ny aterineto. Ho an'ireo mpanoratra sy namantsika manokana maro eto amin'ny Global Voices, mbola sarotra ny vanim-potoana hatrehana, nefa ndeha hanana fanantenana hisian'ny fikirizana sy vanim-potoana tsara kokoa amin'ny ho avy.
Avy any amin'ny mahazatra mankany amin'ny media vaovao
Fanohanana ny vohikalan'ny vazimba teratany any Bolivia
Tamin'ny Desambra, nampiantrano hetsika naharitra telo andro tany Cochabamba, Bolivia ny Rising Voices ho an'ireo mpitoraka bilaogy any Bolivia. Ny tanjona tamin'izany dia ny hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogy matanjaka, sy maro sampana. Nisy ireo atrikasa sy famelabelarana ireo fitoavana teknika sy ny fikarakarana paikady. Tamin'ny teny Espaniola io fivoriana io, ary nantsoina hoe Conectándonos (Mifandray).
Vohizo miaraka aminay ny bisikiletinao!
Raha ny mahazatra dia midika izany fa tsy maintsy nanontany ireo mpanampy ara-peon'ireo mpamoy bisikiletintsika aho mba hizaran'izy ireo ny heviny amintsika amin'ny kodiaran-droa.
Dia izay izany, izay no mamarana ny podcast voalohantsika amin'ity taom-baovao ity. Hanangona ireo feo sy hiresadresaka momba ny vaovaon'izao totolo izao sy ireo fahazàrana ao anaty aterineto mandritra ity taona 2012 ity isika, ka noho izany dia manaraha ny vaovao ary ampahafantaro anay mandrakariva ny zavatra tianao ho heno. Hatreto, noho ny aingam-panahy naterak'ireo kodiarantsika roa mahagaga, iny aho no lasa handeha hianatra ny fomba hivoizako ny bisikiletiko ka tsy hiteraka loza ho ahy sy ny hafa!
Tompon'ny Mozika
Maheno mozika Creative Commons mahatehotia maro ianao ao anatin'ity podcast ity. Isaorana i Mark Cotton tamin'ireo famokarana mahatalanjona ireo ary ihany koa ho an'ireo feo mahagaga rehetra tamin'ireo hetsika sy horonantsary izay nanampy tamin'ny fanambàrana ity podcast ity.
Podcast: Play in new window | Download
Subscribe: RSS