Sri Lanka: Ny fivoaran'ny toeram-pihetsiketsehana Gotagogama sy ny manodidina azy, an-tsary

Fomba fijerin'ny mpaka sary iray ny fihetsiketseham-bahoaka tao an-drenivohitr'i Sri-Lanka
Demonstrators and artists prepare themselves with body paint for a choreographed march opposite the Presidential Secretariat. Image by Sandesh Bartlett via Groundviews.

Mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanakanto manomana ny tenany amin'ny fandokona vatana ho an'ny diabe voalahatra an-tsary ampitan'ny sekretarian'ny filoham-pirenena. Sary avy amin'i Sandesh Bartlett tamin'ny alàlan'ny Groundviews.

Ity andram-panoratana an-tsary ity dia navoakan'ilay mpaka sary Srilankey Sandesh Bartlett tao amin'ny Groundviews, tranonkalam-pampitam-baovaon'olom-pirenena efa nahazo loka. Avoaka etoana ny endrika nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nandao ny firenena ny filoha Sri Lanka teo aloha Gotabaya Rajapaksa tamin'ny 9 Jolay 2022 taorian'ny fitroaran'ny daholobe milamina ary nametra-pialana ihany izy nony farany.

Sarotra tsy hay adinoina ny fanesoana ara-tononkalo hafahafa momba ny firodanan'i Gotabaya Rajapaksa avy tany amin'ny fahasoavana. Tena azo tsapain-tanana sy manindrona tokoa ny sesitany sy ny fisotroan-drononony tsy misy hatsaram-panahy ka mendrika ny handaniany ny andro farany ananany eto amin’ny firenena amin’ny maha filoha azy atao fahirano ao amin’ny toerana antsoina hoe Fort.

Vakio bebe kokoa: Moa ve hetsi-panoherana milamina, amin'ny fomba vaovao  sy tampoka no ‘Lohataona Arabo’ ao Sri Lanka'?

Tsy takona afenina fa naneho fahaizana mahagaga tamin'ny fikarakarana fihetsiketsehana, famoriam-bahoaka ary ny fitantanana ny tenan'izy ireo ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehan'i Aragalaya [Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: teny Sinhalese midika hoe “tolona,” izay lasa mitovy dika amin'ny fihetsiketsehana ankehitriny] ao Gotagogama, toerana misy ny hetsi-panoherana ao Galle Face Green ao Colombo, izay mitoby eo ivelan'ny Sekretariam-piloham-pirenena amin'izao fotoana izao. Mbola ho hita eo ny fikasan'ny Aragalaya niova anarana ho Gotagogama hanongotra ny filoha amin'izao fotoana Ranil Wickremesinghe sy ny sisa amin'ireo notendren-dry Rajapaksa.

Vakio ny fitantarana manokana ataonay: Sri Lanka in crisis

Manambara sombintsombiny amin'ny naha Gotagogama, na hoe nanao ahoana moa i Aragalaya amin'ny ankapobeny ity tsanganana an-tsary ity, antenaina fa hanazava ny fomba nivoaran'ny toerana hatrany am-piandohana ka hatramin'izao izany. Nalain'i Sandesh Bartlett ny sary rehetra ary nahazoana alalana.

Galle Face, Martsa 2022: Ny toerana fanaovana fihetsiketsehana tany am-piandohan'ny Aragalaya fony mbola tsy re ny anarana hoe ‘Gotagogama’.

Aragalaya tany am-piandohana

9 Aprily: Miaraka amin'ny sora-baventy ho an'ny tsihy latabatra, miomana ny hisakafo eny amin'ny Arabe Galle eo ambanin'ny erikerika madinika ireo mpanao fihetsiketsehana silamo.

10 Aprily: Tsy nisy marimaritra iraisana avy amin'ny fanjakana, nanomboka niomana hanao fihetsiketsehana maharitra ireo mpanao fihetsiketsehana ary nanangana tranolay teo amin'ny toerana tandrifin'ny Hotely Shangri-La. Manomboka mivoatra ny toerana amin'ny alina miaraka amin'ireo mpivarotra maro kokoa manangana toeram-pivarotana mba hikarakarana ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana miha-mitombo isa.

Tapaky ny volana Avrily: Tsipoapoaka sy poti-banja avy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tezitra teo akaikin'ny sekretariam-piloham-pirenena.

Fandroahana devoly: Misy ny fombafomba ara-pivavahana mba hivavaka ho an'ny firenena sy handroaka an'i Rajapaksa. ‘Tianay ny handroaka ireo toetra ratsy izay nihazona ny firenena.’

Faran'ny Aprily: Mantso ireo andriamanitra hanohitra ny fianakaviana Rajapaksa tao Gotagogama, nihira sy nanipy fanatitra tao anaty afo anaty haizina ny olo-masina.

15 Aprily: Fanantenana ho an'ny fanombohana vaovao ho an'i Avurudu (taona vaovao Sri Lanka) ao Gotagogama. Mihira sy mitendry amponga amin'ny hiran'i Avurudu nentim-paharazana miaraka amin'ny tononkira namboarina amin'ny teny faneva #GotaGoHome ireo mpanao fihetsiketsehana.

Fahavalon'ny besinimaro: Mpanohitra iray mitazona muttiya (vilany tany) vonona hopotehina amin'ny lalao kana muttiya ho fihomehezan'ny vahoaka.

Mpanao fihetsiketsehana iray mandrava ny muttiya mitondra ny sarin'ny fianakaviana Rajapaksa ho an'i Avurudu ao Gotagogama. A protester smashes a muttiya bearing the picture of a Rajapaksa family member for Avurudu at Gotagogama.

Tanora mpanao fihetsiketsehana tao Gotagogama.

Voalohany Mey: Milahatra ireo mpanao hetsi-panoherana mba hahazo sakafo maivana natolotry ny mpanohana an'i Gotagogama.

Mpanao fihetsiketsehana miaritra ny hafanana be tao Gotagogama.

Ankizy mandefa saina #GotaGoHome ao amin'ny Galle Face.

Teo am-bavahadin'ny sekretarian'ny Filoham-pirenena, manohy ny fahirano tsy mitsahatra mitaky ny fialàn'ny filoha ny mpanao fihetsiketsehana.

Mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny faritry ny fihetsiketsehana ‘MynaGoGama’.

Mamoaka hatezerana, maka sary ireo mpanao fihetsiketsehana, manome totohondry sy misintona ny fehin-kibon'ilay saribakoly nabontsina ho toy ny praiminisitra tamin'izany fotoana izany, Mahinda Rajapaksa.

Tanora mankafy ireo boky isan-karazany hita ao amin'ny Tranombokim-bahoaka Gotagogama nohavaozina.

11 Jolay: Sorabaventy iray mampahatsiahy amin'ny mpanao fihetsiketsehana ireo tompon'andraikitra meloka tamin'ny fanafihana nomanina hamelezana ireo mpanao fihetsiketsehana tao Gotaogogama teo ambany tso-dranon'ny praiminisitra tamin'izany fotoana izany, Mahinda Rajapaksa.

11 Jolay: Tahaka ny mba mametraka ny fahefam-panjakana tao amin'ny biraon'ny sekreteran'ny Filoham-pirenena bodoin'ny mpanao fihetsiketsehana amin'izao fotoana ny miaramila an-tongotra, taorian'ny fanerena ny mpitandro ny filaminana sy ny pôlisy hihemotra taorian'ny fanafihan'ny mpanao fihetsiketsehana marobe ny tranom-panjakana roa andro talohan'izay

11 Jolay: Miezaka mifehy ny onjan'ny olona be loatra mivory hijery ny fomba fiainan'ny saranga ara-politika nianoka ny Lapan'ny Filoha ireo mpandrindra ao Aragalaya.

17 Jolay: Ampahany amin'ny Tranombokim-bahoaka ao Gotagogama, izay ao amin'ny Sekretariam-panjakana voabodo ankehitriny, ny hany trano tsy tafaverina amin'ny fanjakana ary mbola azon'ny besinimaro idirana tamin'ny fotoana nanoratana.

Ankafizin’ny vahoaka ny zaridainan’ny Lapan’ny Filoham-pirenena ao Fort.

‘FITSARAM-BAHOAKA?’ Tranon'ny sekreteram-panjakana nobodoina. Jolay, 2022.

Tsindrio eto raha hijery ny sary feno Tsidiho ny pejy Instagram an'i Sandesh Bartlett raha hijery bebe kokoa ny sariny.
Exit mobile version