(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2008)
Ahafahana manolotra fanomezandàlana hanapaka avy hatrany hazo manodidina ny folo raha betsaka indrindra ho an'ireo olona mampiseho ny sarin'ilay hazo na ireo hazo iriny ho tapahana ilay dingana napetraka avy amin'ilay fanapahankevitra. Talohan'izany, izay rehetra naniry ny hanapaka hazo dia tsy maintsy nanome fanamarinana ary nisy solontena avy ao amin'ny masoivoho nidina teny ifotony hanamarina fa ilay hazo a) dia tsy anaty valan-javaboahary voaaro ary b) misy antony matotra tsara hanapahan'ilay olona ilay hazo.
Ilay vehivavy blaogera, Ivonne Acosta, tao amin'ny Sin Mordazas no isan'ny voalohany nandefa fanairana, tamin'ny famintinana ilay fanapahankevitra ato anatin’ity lahatsoratra ity :
Miren lo que se incluye en este permiso de Vélez Arocho:
• las personas que interesen tumbar los árboles pueden obtener el permiso el mismo día
• la intención es agilizar el procedimiento (o sea: que se tumben árboles más rápido)
• aplica a todos los municipios menos Ponce y Carolina (que emiten los permisos localmente)
• la orden administrativa aplica de inmediato y habrá un “técnico evaluador”
• el “técnico evaluador” firmará la autorización el mismo día siempre y cuando los documentos presentados provean información suficiente
• esta “información suficiente” no incluye el examen por parte del DRNA de los árboles a cortarse, basta con que los que quieren tumbarlos presenten dos fotos de cada árbol
• el peticionario debe presentar evidencia de la tenencia de los terrenos donde ubican los árboles a tumbar (o permiso si son estatales o municipales)
Tapa-kevitra ny hanaraka ity raharaha ity i Ivonne Acosta ka naveriny navoaka, roa andro taorian'iny lahatsorany voalohany iny, ny matohandatsoratry ny gazetin'ny nosy El Vocero (amin'ny teny Espaniola) ary ny sariitatra iray (amin'ny teny Espaniôla), izay samy natokana ho an'ireo vaovao farany. Nandeha lavitra mihitsy izy tamin'ny fanombohany nanao fanangonantsonia anaty aterneto (amin'ny teny espaniola), izay, nahavita nanangona sonia maherin'ny zato, tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity.
Blaogera maro hafa koa no nanatevin-daharana an'i Ivonne Acosta amin'izay azo heverina ho toy ny fanentanana lehibe indrindra anatin'ny blaogy Pôrtôrikana hatreto, toy ilay bilaogy manao sangy zary tenany El Ñame (amin'ny teny espaniola) sy ilay blaogera Edwin Vazques avy amin'ny Cargas y Descargas (amin'ny teny espaniola) izay manoratra hoe :
Para los que se estén preguntando por qué el límite de 10 árboles tiene que ver con el sistema métrico. Tiene que ser. Seis árboles suena muy anticristo. Cinco trae cuestionamientos estadísticos. Uno lo tumba cualquiera sin que el vecino se entere. Ocho es un número algo estúpido. Ah, pero diez, he ahí un número redondo.
Nivondrona koa ireo blaogera hafa (ny bilaogy rehetra dia amin'ny teny Espaniôla) taorian'ny antso nataon'i Javier Velez Arocho mba hanafoanana ity fanapahankevitra ity, anisan'izany i Elco Lao, Mario Nuñez avy amin'ny DigiZen, Siluz avy amin'ny Escribiendo ao amin'ny Vos Alta, Cesar avy amin'ny Opinion que Nadie Pidió, izay, niaraka tamin'i Enfogoná avy ao amin'ny Clientela furiosa , namoaka antso iray nampihetsi-po mba “hamonjena ny hazontsika”, Coloquiando con Don Segundo y Doña Bianc izay miantso “fanentanana maika” ary Pepe Grillo la Guía Verde, izay mametraka ilay fanapahankevitra ho “famonoan-kazo”.
Myrisa, avy ao amin'ny bilaogy En el país de los ciegos … dia tena niseho ho mavitrika tokoa, tamin'ny fandefasana imailaka ho an'ireo blaogera hafa nangatahany azy ireo hametraka toerana iray fanehoankevitra ho an'ireo mpamaky azy ireny ao amin'ny blaoginy, ahafahan'ireo hafa mpampiasa aterneto mba handray anjara amin'ilay fanentanana ihany koa. Toa efa re ny antso nataony. Ilay blaogera Pegao avy any Sal Pa ‘Fuera dia efa nametraka rohy sahady tao amin'ny blaoginy nitarika ny mpamaky ho any amin'ilay fanangonantsonia anaty aterneto. Vondrona roa ihany koa no noforonina tanaty Facebook, eto sy eto.
Tsy maintsy ekena fa nahay nampiely ny feony ny tontolon'ny bilaogy Pôrtôrikana tamin'io olana maika io.
Sary avy amin'ny Bosque del Pueblo (àlan'ny mponina) tao Adjuntas, Pôrtô Rikô, avy amin'i “Oquendo” tao amin'ny Flickr.