28 Mey 2018

Tantara tamin'ny 28 Mey 2018

Venezoelà: Tsy alefa intsony ny fandaharana Ry Simpson

Iray amin'ny fandaharana fahitalavitra malaza indrindra manerantany amin'ny fiteny rehetra, nolazain'ny governemanta venezoelana ho tsy mendrika ny fandaharana Ry Simpson fa mampiana-dratsy ny ankizy, ka tsy ho alefa intsony. Fandaharana efa nandeha tao hatramin'ny taona 1989 anefa izany, ary ny tena nahasosotra ny bilaogera dia...

28 Mey 2018

Porto Riko : Ilay Fahazoandàlana Vaovao Ahafahana Mamono Hazo

Nahatonga fanehoankevitra be teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pôrtôrikana ilay fanapahankevitra vao haingana avy amin'ny Sekreteram-Panjakana Momba ny Fambolena ao Pôrtô Rikô. Ao amin'ny nosy Pôrtô Rikô, mila mangataka fahazoandàlana any amin'ny masoivohon'ny harena voajanahary ny olona iray raha te-hanapaka hazo. Izay aloha ny zotra narahina hatramin'ny fotoana nanaovan'ilay Sekretera jeneralin'ilay masoivoho,Javier Velez Arocho, ilay fanapahankevitra ahafahana mahazo avy hatrany alalàna hanapaka hazo

28 Mey 2018

Ekoadaoro: Ho anisan'ireo zava-mahatalanjona miisa 7 vaovao eto amin'izao tontolo izao ny nosy Galápagos

Nahatafiditra kandidà roa amin'ny fihodinana faharoa hifidianana zava-mahatalanjona miisa fito eto amin'izao tontolo izao tamin'ny fifaninanana antserasera i Ekoadaoro : ny nosy Galápagos (ao amin'ny vondrona B, sokajy "nosy") sy Amazonia (ao amin'ny vondrona F, sokajy "ala, valanjavaboarim-pirenena sy ny valan-javaboary natoraly").

28 Mey 2018

Fifidianana Amerikana: Sarah Palin Voafitaky Ny Sarkozy Sandoka

Mpanentana roa tao amin'ny onjampeo kebekoazy an'i Montréal ary ireo Mpitsara Miafin'endrika, no namitaka ilay Repoblikana Sarah Palin tamin'ny telefona, tamin'ny fisandohana ho Nicolas Sarkozy. Malaza be ireo Mpitsara Miafin'endrika ireo noho ny efa namitahany tamin'ny telefona ihany koa ny filoham-pirenena teo aloha Jacques Chirac, Britney Spears, Mick Jagger ary, eny, fa na dia ny Filoham-pirenena Sarkozy aza.

28 Mey 2018

Thailandy: Mpandeha an'arivony voakasiky ny fitokonan'ny fiaran-dalamby

Nanao hetsi-panoherana manohitra ny fanapahan-kevitry ny minisitera ny mpiasa satria tsy ekeny ny hanaovana ho tsy miankina ny orinasan-dalamby. Nofoanana ny fitokonana ny Talata (23/6) tamin'ny hariva, taorian'ny nanomezan'ny manampahefana toky ireo tompon'andraikitry ny sendikan'ny mpiasa fa tsy hisy ny fanaovana tsy miankina ny orinasa

28 Mey 2018

Fitsidihan'ny Papa an'i Etazonia: Fanehoan-kevitra

Mitroatroatra ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovao tamin'ny fitsidihana maha-Papa voalohany (Benoà 16) tany Etazonia - voalohany noho ny fanararaotana ara-nofo izay nanozongozona ny fototry ny fiangonana Katolika Amerikana enin-taona lasa izay. Niresaka ny olana ny Papa tany Washington D.C.

28 Mey 2018