Misolovava hatrany ny “fihenjanana manoloana an'i Iràna” ny fampielezankevitr'ilay mpirotsaka ho filoham-pirenena, Donald Trump, saingy niakatra ambonimbony kely ny kabary fandresen-dahatra tamin'ny faran'ny herinandro taorian'ilay fanafihana tao Nice, rehefa injay ilay Lietnà Jeneraly efa misotro ronono, Michael T. Flynn, iray amin'ireo lehiben'ny mpanolotsaina ara-tafik'i Trump, ary tale fahiny tao amin'ny Masoivohom-pitsikilovana sy Fiarovana, nangataka ny Ayatollah Khomeini—lehilahy iray efa maherin'ny dimy amby roapolo taona no nahafatesany—mba hanameloka ny fanafihana nitranga tao Nice, Frantsa tamin'ny 14 Jolay.
Michael Flynn, former director of the Defense Intelligence Agency, calls on a man dead 27 years to condemn extremism pic.twitter.com/qhtxOYeHce
— Samuel Oakford (@samueloakford) July 15, 2016
Niantso lehilahy iray efa maty 27 taona lasa i Michael T. Flynn, tale fahiny tao amin'ny Masoivohom-pitsikilovana sy Fiarovana, mba hanameloka ny fihetsika mahery
Niseho tao amin'ny Fox News niaraka tamin'i Megyn Kelly, tamin-katezerana no nilazan'i Flynn hoe , “Tiako ny Imam, na i Khomeini, mba hijoro sy ho voatondro ary hiresaka momba ity endrika ideolojia radikaly any anatin'ny ràny sy ny ADN-ndry zareo ity.”
Tamin'ny 1989 ny Ayatollah Sayyid Ruhollah Khomeini no nodimandry, taorian'ny nametrahana ny Repoblika Islamikan'i Iràna, ny endrika teokrasia voalohany indrindra tamin'izao vaninandro maoderina izao, taorian'ny Revolisionan'ny 1979.
Na i Flynn nanafangaro ny anarana “Khomeini” tamin'ny an'ny mpitarika ambony ao Iràna amin'izao fotoana izao, Ayatollah Sayyed Ali Hosseini Khamenei, na izy tsy mahalala fa efa 27 taona lasa no maty ny Ayatollah Khomeini. Na tsy fanafangaroana na tsy fahalalàna ilay hadisoana, niseho tao amin'ny Fox News indray i Flynn ny andro nanaraka io, ny 15 Jolay, ary nilaza indray ny anaran'i Khomeini, nisisika ny amin'ny hanamelohan'ilay rangahy efa maty ela io ilay fanafihana tao Nice.
Samy nizara hevitra vitsivitsy momba ny fahalinana hafahafa nananan'i Flynn momba ny “Imam Khomeini” ireo mpampiasa aterineto, na tao Iràna, na tany Etazonia. Ilay Iraniana mpampiasa Twitter, Ameneh Mousavi, nibitsika hoe:
عقلاي قوم اين درسته؟؟؟
ژنرال مایکل فلین مشاور نظامی دونالد ترامپ از “آیت الله خمینی” رهبر ایران خواسته حمله تروریستی نیس فرانسه رو محکوم کند— ameneh mousavi (@MousaviSa) July 16, 2016
Ry olona hendry, mety ve ity? Tian'ny Jeneraly Michael Flynn, mpanolotsaina ara-tafik'i Donald Trump mba hanameloka ny asa fampihorohoroana tao Nice ny “Ayatollah Khomeini,” ilay mpitarika an'i Iràna.
Nanoratra i Saman Arbabi, Iraniana-Amerikana mpanao gazety hoe:
On foreign policy #Trump team makes Bush team look like Nobel Laureate winners. https://t.co/AwQkXcLIeg
— Saman Arbabi (@SamanArbabi) July 15, 2016
Amin'ny politika ivelany, sahala amin'ny manao ny tarik'i Bush ho mpandresy tamin'ny Loka Nobel ny tarik'i #Trump
Liana tamin'ilay tantara ireo Amerikana mpampiasa aterineto, indrindra fa rehefa nanoratra mikasika azy io ny Huffington Post :
“Flynn’s offer to list Muslim leaders was undermined by the fact that his top example had been dead for 30 years” https://t.co/8thyQRxdbQ
— Christina Wilkie (@christinawilkie) July 15, 2016
“Naetrin'ny zavamisy ilay tolotr'i Flynn hametraka anaty lisitra ireo Miozolmana mpitarika fa efa maty tany amin'ny 30 taona tany ilay sangany nataony ohatra”
Cool, let's give the codes to ppl who cant tell diff bet. living ppl and really dead ones COME ON https://t.co/MRhPsxayug via @HuffPostPol
— Maude Snuggs (@MillCunningham) July 15, 2016
Milay, ndeha isika hanome maripamantarana ho an'izay olona tsy afaka akory manavaka ny olona velona amin'ny maty. NDAO ARY E
Nanana hevitra vitsivitsy ihany koa ny kaonty hala-tàhaka iray manadrohadro ny minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana, Sergei Lavrov :
Wonder if he knows that Gorbachev isn't president of Russia.
Trump adviser wants Khomeini to denounce Nice attack https://t.co/hR30iNCypp
— Soviet Sergey (@SovietSergey) July 18, 2016
Manontany tena raha toa ka mba fantany hoe tsy filohan'i Rosia i Gorbatchev