Tantara tamin'ny 02 Aogositra 2016
Mahita Ny Dian-tànan'i Shina Amin'ireo Korontana Rehetra Ao Amin'ny Sampampahefàna Miady amin'ny Kolikolin'i Hong Kong Ireo Mpitsikera
"...raha manendry tomponandraiki-panjakana ambony ao Hong Kong i Beinjing, tsy misy rafitra hafa ananany ho afaka hanakatsakana na hanenjika ilay lehilahy. Iza no tomponandraikitra eto? I Shina io."
Tsy Ny Mpampianatra Rehetra No Voasolo Tena Tamin'ireo Hetsi-panoherana Mahery Vaikan'ny Sedikà Tao Meksika
Nitafatafa taminà mpampianatra Meksikàna anankiroa mikasika ny asany, ny antony nandrisika azy ireo ary ny olana ateraky ny hetsika lavareny sy ny hafanam-po amin-kerisetra ataon'ny sendikàn'ny Mpandrindra Nasionalin'ny mpiasan'ny Fanabeazana izahay.
Anche Cabral, Ilay Vehivavy Timorey Voalohany Mandray Anjara Amin'ny Lalao Cross-Country Olaimpika Ao Rio de Janeiro
Anche Cabral no ho vehivavy timorey voalohany hanao hazakazaka am-bisikileta hisolo tena an'i Timor Atsinanana amin'ny dingana cross-country Lalao Olaimpika ao Rio de Janeiro.
Fanairana Momba Ny Fomba Fampijaliana — Endrika Abu Ghraib — Ao Amin'ny Foibe Fitazonana Tanora Ao Amin'ny Faritany Avaratra ao Aostralia
Nanangana Vaomieram-panjakana ny governemanta Aostraliana mba hanadihady ny fampijaliana ny ankizy mahatohina ao amin'ny foibe famonjana tanora any amin'ny Faritany Avaratra .
Teknolojia, Injenieria ary Zava-baovao Maro Mahatalanjona Hita Manamarika Ny Fanitarana Ny Lakandranon'i Panamà
"Lakandrano kely tokoa ankehitriny ny Lakandranon'i Panmà notsidihako raha oharina amin'ny notokanana androany.."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices: Lasa Politika ny Pokémon Go
Amin'ity herinandro ity izahay mitondra anao ho any Iran, Japan, Shina, Meksika ary Timor-Leste.
Niteraka Sary Namboarina Mahatsikaiky Ireo Mpanao Politika Serba Roa Miara-Mitaingina Moto
"Ny hany zavatra tsara amin'i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto dia i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'ny lazera."
Ao Japana, Fantatrao Hoe Zanaky Ny Taona 1970s sy 1980s Ianao Rehefa …
"Toy izao no tsy maintsy namohànao ny fitaratry ny fiara," hoy ny Japoney iray mpampiasa Twitter, nibitsika sary iray maneho famohàna fitaratra ahodina tànana.
Ayatollah Khomeini Maty 27 Taona Lasa Izay, Saingy Mbola Tian'ny Mpanolotsain'i Trump Hanameloka Ny Fanafihana Tao Nice
Niseho tao amin'ny Fox News, nilaza i Flynn hoe , “Tiako ny Imam, na i Khomeini, mba hijoro sy ho voatondro ary hiresaka momba ity endrika ideolojia radikaly any anatin'ny ràny ity "