Miandry am-panahiana izay mety ho fivoaran'ny toe-draharaha any Ejipta ny tontolo Arabo. Androany, naka sisiny ny media mahazatra hatramin'izay fa ny media an'ny vahoaka no mahazo laka.
Raha mitana toerana lehibe ny media vaovao hanehoan'ny vahoaka ny heviny, dia manana ny anjara toerany lehibe koa ny fampitana vaovao amin'ny fomba vaovao satria manampy amin'ny fikarakarana ny fanoherana sy ny fanehoan-kery izany. Miady hevitra mikasika ny dikan'izany rehetra izany miaraka amin'ny fanoherana any Ejipta ny mpitoraka bilaogy arabo, fanoherana izay ahitana olona aman'arivony maro midina an-dalam-be mitaky fanovana ara-politika sy ara-ekonomika.
Ilay mpitoraka bilaogy Marôkana Hisham nanoratra mikasika ny anjara toeran'ny media amin'ny fanehoan-kery miseho any Ejipta. Mifantoka bebe kokoa amin'ny fomba fampiasana ireo media vaovao ireo any Ejipta izy, tahaka ny nampiasana azy ireny koa tany Tonizia tamin'ny fiandohan'ny volana.
Milaza ny fihetsehana goavana niseho tany Tunisie nialoha ity tany Ejipta ity i Hisham, ary manazava ny anjara toeran'ny twitter sy ny facebook tany Tunisie.
Ny tena marina, tsy hoe fitaovana ampiasaina ifandraisan'ny mpanao fihetsiketsehana ihany akory ny media an'ny vahoaka. Fa ireo media efa nisy hatramin'izay na ao amin'ny faritra izany na hatrany ivelany dia tsy manisy lanjany ny fanoherana na zara miteny ny fisian'ny fanoherana amin'ny lohanteniny.
Ilay mpitoraka bilaogy Jordaniana Osama Romoh izay mankahala ny fomban'ny media mahazatra eran'ny tanàna raha miresaka ity fanoherana any Ejipta ity, no nanapa-kevitra hanampy amin'ny fanaparitahana vaovao amin'ny alalan'ny fizarana ny rohy rehetra miresaka ny vaovao rehetra ananany, ao amin'ny bilaoginy
ما يحدث في مصر من مظاهرات تندد بالنظام الحاكم وتنتفض لسوء أحوال معيشة المصريين هو أكبر من أن يتم تلخيصه في بضع سطور لمقال أو وجهة نظر، ولأن الجهات الإعلامية ووسائلها تقلّل من شأن أحداث مصر في أخبارها ولا تغطي فعلاً ما يحدث هناك، قررت أنه من واجبي أن أفعل شيئاً ولم أجد في يدي إلا أن أساهم في نشر الكلمة وأن أنشر في هذه الصفحة روابطاً لأخبار من هنا وهناك تتعلق بمظاهرات مصر
Mampiasa ny sivana amin'ny internet ny fanjakana ejiptiana hahatonga ny olona ho kivy ka tsy hampiasa izany intsony. Kanefa ilay mpitoraka bilaogy Jordaniana, Roba Al-Assi mbola mahazo vaovao avy any Ejipta ihany. Nanoratra izy ny amin'ny fomba hahafahany , izy n,y mitovy amin,y rehetra nahazo vaovao avy amin'ny media vaova.
Tohizany ihany.
Andro farany izao araka ny efa fantantsika. Tsy lafiny politika, kanefa aloha loatra raha tenenina. Raha miresaka momba ny fandaniana fananana izao, dia fantatro fa tsy milaza zavatra vaovao aho, tena tsy mampino fotsiny izao.
Farany, Youssef nanoratra mikasika ny fiovana sahady manerana ny faritra rehetra ato ho ato.
Anisan'ireo lahatsoratra momba ny Fanoherana tany Ejipta 2011 ity ity lahatsoratra ity