Tantara tamin'ny 29 Janoary 2011
RD Kongo : Fahatsiarovana mangingina ny faha-50 taona namonoana an'i Patrice Lumumba
Nanamarika ny faha-50 taona namonoana an'i Patrice Lumumba, Praiminisitra voafidy voalohany any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) nantsoina hoe Zaïre teo aloha, ny 17 Janoary. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Laurent Désiré Kabila tamin'ny 1997 no lasa andro tsy fiasana teo amin'ny firenena io daty manantantara io. Ny nahatsakaiky tamin'ity...
Tontolo Arabo : Media vaovao sy ny fanehoan-kery ataon'ny Ejiptiana
Miandry am-panahiana izay mety ho fivoaran'ny toe-draharaha any Ejipta ny tontolo Arabo. Androany, naka sisiny ny media mahazatra hatramin'izay fa ny media an'ny vahoaka no mahazo laka. Raha mitana toerana lehibe ny media vaovao hanehoan'ny vahoaka ny heviny, dia manana ny anjara toerany lehibe koa ny fampitana vaovao amin'ny fomba...
Siria: Mpampiasa Aterineto Mirohotra Manohana Ireo Ejiptiana Mpanao Fihetsiketsehana
Raha mbola misonga miakatra hatrany ny haromotan'ny hetsika handrodànana ny fitondran'i Mubarak ao Ejipta, manao izay ho afany hanohanana ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny lafiny rehetra ny Siriana.
Yemen: Anarivony nanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'i Saleh
Tamin-kafaliana no nandraisan'ny tontolo Arabo ireo tatitra mikasika ny hetsi-panoherana any Yemen, tontolo Arabo izay misy an'ireo mponin'ny aterineto maneho ny fanohanany betsaka an'ireo rahalahiny sy anabaviny Yemenita. Tao amin'ny Twitter, nientanentana ny rehetra, satria ireo mponin'ny aterineto erantany dia naniry daholo an'i Yemen hanaraka ny dian'ny Toniziana, ka hanala ny filoha Yemenita Ali Abdulla Saleh, izay efa tao amin'ny fitondrananandritra ny 30 taona mahery
Ejipta: Tatitra momba ny herisetran'ny mpitandro filaminana, Fisamborana ary bàla tena izy
Betsaka ny tatitra milaza fisamborana sy antsojay ary herisetra ataon'ny polisy no mipoitra, raha miditra amin'ny andro fahatelon'ny hetsika ry zareo Ejiptiana. Misy ihany koa tatitra mikasika famoizana aina saingy tsy mbola ananana ny antsipirihany sy ny tena antontan'isa marina.