Mikaroka, manoratra, manitsy, ary mandika tantara ao anatin'ny iraka hanohana ny zon'olombelona sy hananganana tetezam-pifankahazoana mihoatra firenena, kolontsaina ary fiteny ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices..
Tsy avoakanay fotsiny ireo lahatsoratra mba hakàna ‘kitika’ na hanarahana fironam-baovao, fa manao izany izahay mba hanarahanay tsy tapaka ny fomba fiantraikan'ny asa mafy ataonay manerana izao tontolo izao.
Ho amin'izany dia fomba iray mahomby handrefesana azy ny fomba famalin'ireo mpamaky ny tantara sy fandikànteny ataonay. Ndeha hotopazantsika maso hoe iza avy ireo mpamaky ary inona no nahasarika ny sain'izy ireny nandritra ny herinandron'ny 23-29 Aprily 2018.
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 202 ireo tantara sy ny fandikanteny nataonay! Ny firenena 20 hita nanerana ireo tranonkala rehetra ato amin'ny Global Voices dia :
1. Etazonia
2. Brezila
3. Japàna
4. Frantsa
5. Meksika
6. Espaina
7. Però
8. Kolombia
9. Taiwan
10. Arzantina
11. Italia
12. Fanjakana Mitambatra
13. Bangladesh
14. Alemaina
15. India
16. Ekoatora
17. Rosia
18. Kanadà
19. Tanzania
20. Indonezia
Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Ndeha isika hampiasa ny True Random Number Generator avy amin'ny Random.org ka hanopy maso firenena hafa vitsivitsy ao anatin'ny lisitra :
100. Ghana
25. Filipina
174. Tsady
114. Benin
201. Soazilandy
Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireo lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:
1. Why did China take its own propaganda film offline? Netizens point to US tech sanctions
2. How an Indian professor is turning plastic trash into highways
3. China Central Television backs Russian version of the Syrian crisis, saying chemical attacks were staged
4. Puerto Rico’s flag is black and in ‘mourning’ over US-imposed oversight board (originally published in 2016)
5. 8-year-old Asifa’s heinous rape and murder in India fans the flames of nationalism
Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices ho amin'ny fiteny hafa ankoatra ny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo