Raha araka ny Privacy International, i Shina no ery amin'ny tendrony amin'ireny fiarahamonina manao ny fitsikilovana ho tandra vadin-koditra ireny, arahan'i Malezia, Rosia, UK ary Taiwan, Thailand sy Etazonia. Ao anaty lahatsoratra iray [zh] ao amin'ny bilaoginy Phoenix, amin'ny maha-olona manam-pahatsiarovana ny fahazazany tsy mba nananany fotoana ho azy manokana mihitsy azy, ilay poeta, Rui Shen, sady mpampianatra ao amin'ny United States Naval Academy dia manontany hoe: amin'ny fiainantsika amin'izao fotoana toa voatsikilo isa-minitra izao, tsy fotoana ve izao hiresahana momba ny fitsabahana amin'ny fiainana manokana izay manoatra lavitra noho ny sehatra fiarovana seranam-piaramanidina?
Teo ampijerena vaovao aho tamin'io andro io. Tatitra iray nandeha tao no nilaza fa any amin'ireo fivarotana lehibe any Amerika dia nametrahana camera video handraketana ny mpanjifa tsirairay avy, ny anton'io fanarahamaso io, tsy hoe hisamborana ny mpangalatra eny ambony fitoeran'entana, fa ho an'ny fikarohana manodidina ny fitondrantenan'ny mpividy. Nanazava ny amin'ireo zavatra hita eo amin'ny fàfana ny mpitantana toeram-pivarotana iray: “Jereo ity mpanjifa ity, mijanona manoloana ity fitoeran'entana ity mandritra ny folo minitra izy, mazava ho azy fa mila fanampiana izy. Manampy anay handafo bebe kokoa ny camera video. Handefa olona eny aho izao dieny izao.” Nanontany ny mpanadihady, “Nefa koa ampiasaina amin-javatra hafa ireny video ireny, sa tsy izany?” Nihomehy ilay mpitantana: “Ny amin'izany, mbola resaka hafa indray”
Tsy misy antony tokony hitorohana na iza na iza intsony amin'izao fotoanan'ny fanarahamaso tsy ankiato izao. Miaraka amin'ireo maso mangatsiakany, mibanjina antsika tsy mitsahatra ireo camera video, izay rehetra fihetsika ataontsika. Baikoan'ireo teknolojia vaovao, miditra amina vanim-potoana iray izay mampiboridana amin'ny fotoana rehetra isika. Tsy noho ny tahotra avy amin'ireny fotoana lehibe ireny, fa na dia amin'ity anio ity aza dia tsy sahy mandeha ao amin'ny Facebook aho ary tsy mihevitra mihitsy ny hanao izany. Vao avy namaky mihitsy aho izao mikasika ny fomba fivarotan'ny Facebook ny tahiriny amin'ireo orinasa vaventy mpanao dokambarotra, na tsy manana zava-miafina eo amin'ny fiainako aza aho, tsy laniko ny hoe ny mombamomba ahy no vidiana na amidy. Io no antony tsy mba ametrahako fanamarihana ao amin'ny Sina na Sohu, tsy mba ananako ireny fitorahana bilaogy kiritika ireny sy tsy dia itsidihako tranonkala maro loatra.
其实我知道自己的做法只是一种自我欺骗,因为摄像机已经无所不在。这些天美国的媒体在争论飞机场安检问题。一些人对飞机场的能看到人体的安检措施不满,认为是侵害了他们的隐私。我看新闻中的争论,想,这些人是糊涂还是愚蠢?如果你在家上网,买东西,你的信息已经被暴露了。你的身体还有什么隐私?走过X光机,你担心你的隐私会被暴露?你的隐私无非是你身体的形状你的什么器官的样子,whocares about that? 你的真正的隐私不在这里,而在电脑里,而在你走的大街上,而在你去的每一个地方。你天天上什么网?你的电脑里有记录,有人在做这个调查。你去商店买什么东西?有统计数字分析你的习惯。你跟什么人在一起玩?有摄像机在看着你。生活在时刻被监视的时代,难道我们还有隐私可谈吗?
Raha ny marina, fantatro fa ny fanaovako izany dia familiako ny tenako tsy hijery ny zava-misy, satria efa mameno tanàna ny camera video . Tsy ela akory izay ny fampahalalam-baovao Amerikana no niresaka momba ny fiarovana ny seranam-piaramanidina. Maro ny olona no tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra fiarovana ny seranam-piaramanidina izay mampiseho ny toe-batan'ny olona, izay raisin'izy ireo ho toy ny fitsikilovana tanteraka ny maha-izy azy manokana. Rehefa nijery ilay resadresaka tamin'ny vaovao, dia manontany tena aho hoe: olona tsy milamina ve sa mitapy ireny olona ireny?
Raha afaka miditra amin'ny aterineto avy any an-tranonao ianao, na raha efa nividy zavatra tamin'ny alalan'ny tranonkala, dia efa niparitaka sahady izay ny mombamomba anao rehetra. Ka amin'izany dia fiainana manokan'ny olona manao ahoana no mbola eritreretinao fa hanananao? Raha efa nanao fitaràfana (radio) ianao, niahiahy ve ianao fa hoe ho voahosihosy ny fiainana manokanao? Tsy misy idiran'izay endrika ivelan'ny vatanao mihitsy ny fiainanao manokana, na ny endriky ny taovam-pananahanao, inona no tokony hiraharahan'ny olona an'izany? Tsy any no ahitàna marina ny tena fiainanao manokana fa ao anatin'ny solosainao io, eny amin'ny làlana izoranao, ary amin'ny toerana rehetra alehanao.
Ireo tranonkala notsidihanao? Voatahiry ao anaty solosainao ny lisitr'izy ireny ary azon'ny sasany anaovana fanadihadiana eo noho eo ihany. Ary ny momba ny zavatra vidianao any amin'ny toeram-pivarotana? Avadibadika koa ny antontan'isa mikasika ny fahazaranao miantsena. Ary ny olona ifaneraseranao any ivelan'ny trano? Misy camera mijery anareo. Amina vanim-potoana iray hoe ny isa-minitra amin'ny fiainanao dia voatsikilo avokoa, mba inona sisa moa izany no fiainana manokana mijanona ho antsika?