Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary

Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana  fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi, ary ireo Iranianina maro izay nino ny  amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy mampiasa ny loko maitso ho mariky ny hetsika ataony.  Mr. Moussavi sy Mehdi Karoubi, ilay reformista iray hafa  mpirotsaka  ho fidiana, dia nangataka ny vahoaka mba hilamina ary hanao ny hetsika am-pilaminana. Raha tsy mamoaka sary momba ny  fihetsiketsehana ny fahitalavi-panjakana, ireo fanapariaham-baovao avy amin'olon-tsotra kosa, dia feno sary mahafinaritra.  Naneho sary maro momba ny hetsika tamin’ny Alarobia tao amin'ny kianjan'i Hafte tir any Téhéran i Hamed Saber . Maneho ny antom-pisian'ny hetsika fanoherana Iranianina ireo sary ireo:

Fahanginana maitso na fanoherana mangina

Tsy misy fotoana ipetrapetrahana

Fahaiza-mamorona

Vahoaka be

i Che nihaona tamin'i Mousavi

Namoaka ireo sarin’ny diabe tao Téhéran izay nahitàna an’i Mir Hussein Moussavi sy Mehdi Karoubi koa i Kosoof, :

Hetsi-bahoaka

Mir Hussein Moussavi teo afovoan’ireo vahoaka

Mehdi Karoubi miarahaba ny vahoaka

Tamin’ny Alakamisy, M. Moussavi nanao fanambarana teo amin’ny kianjan’ny Imam Khomeni ao Téhéran. Ny vadiny, Zaha Rahnavard, niaraka taminy, dia hita eo amin’ity sary manaraka  ity.

Exit mobile version