Tantara tamin'ny 14 Jolay 2009
Malezia: Novan'i Yuna endrika ny mozika Indie
Taona vitsivitsy izao dia maro tokoa ireo mpiangaly mozika miahy tena no mahazo dera sy laza avy amin'ireo tranonkalam-pifandraisana ara-tsosialy toy ny YouTube sy ny MySpace. Fantaro i Meet Yuna avy any Malezia. Ambetin-dresaky ny tontolon'ny fitorahana blaogy any an-toerana izy amin'izao tsy noho ny famokarana mozika avo lenta ihany...
Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa
Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10...
Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary
Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi, ary ireo Iranianina maro izay nino ny amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy...
Mankalaza ny andron’ny tanora ny firenena Afrika Atsimo ary mahatsiaro ny fahiny
Ny 16 Jona, izay ankalazana ny andron’ny tanora eto Afrika Atsimo dia andro ahatsirovanay ny fahiny. Tamin’ny 16 Jona 1976 no nitranga ny hetsika tao Soweto nohon'ny faneren’ny lalana fa amin’ny fiteny Afrikaans amin’izay no itondrana ny rafi-pampianarana rehetra.
Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson
Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary...
Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?
Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa fa...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...