Mikaroka, manoratra, manitsy, ary mandika tantara ao anatin'ny iraka hanohana ny zon'olombelona sy hananganana tetezam-pifankahazoana mihoatra firenena, kolontsaina ary fiteny ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices.
Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay hanangonana ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa miezaka kosa izahay hitsongo dia ijerenay ny fiantraikan'ny asa mafy ataonay manerana izao tontolo izao.
Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 18 – 24 Jiona 2018.
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 201 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :
1. Etazonia
2. Iraka
3. Arabia Saodita
4. Brezila
5. Japana
6. Torkia
7. Frantsa
8. Arzantina
9. Filipina
10. Meksika
11. Espaina
12. Peròa
13. Syria
14. Taiwan
15. Jordana
16. Libanona
17. Italia
18. Kolombia
19. Alemaina
20. Bangladesh
Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:
95. Ireland
158. Maldiva
93. Hongaria
100. Kyrgyzstan
23. Fanjakana Mitambatra
Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:
1. Gangs and trade wars: What kind of Mexico awaits the new president?
2. The Nepali “sausage vine” evergreen plant is famous in the United Kingdom, yet remains unknown in Nepal
3. Mampiantrano ny diabem-pireharehana voalohany indrindra ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Guyana
4. Ravoravo amin'ny fanombohan'ny Mondialy ny Rosiana, na dia hoavy aza ny fanavaozana ny retirety sy ny hetra
5. Afaka mampifandray an'i Kiobàna amin'ny aterineto ve Etazonia? Fandinihana manan-tantara avy amin'ny fomba fijery Kiobàna
Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.