Ejipta: Finaonaon-tsaka Tsara Indrindra Ho An'ny Filoha Mubarak

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2010)

Nandefa fanamarihana iray  mikasika ny lahatsoratr'i Mumtaz El Qott i Mo-ha-med,  lahatsoratra nanambaràny fa irian'ireo Ejiptiana ny hahazo fahazoandalàna ho any Alemaina mba hitsidika ny filoha Moubarak hitondra firariantsoa mikasika ny fahasalamany taorian'ny nanaovana fandidiana azy.

Manoratra i Mo-ha-med fa:

Tonian-dahatsoratry ny gazetim-panjakana Al-Akhbar i Mumtaz El Qott. Nanana tombony kely ihany nanoloana an'i Al-Ahram ny Akhbar taloha – ny ankamaroan'ny mpandalina tao amin-dry zareo dia matetika nivoana lavitry ny taridalan'ny antoko – saingy ankehitriny lasa zary laharana faharoa hanaovana fampielezankevitra ho an'ny Fanjakana izy izao.

Mr El Qott – izay ny anarany dia midika hoe “Ny Tsara Indrindra” ary ny fanampin'anarany dia hoe “saka”, dia nanoratra lahatsoratra adaladala iray tsy mampino – mitondra ny lohateny hoe “Isaorana Andriamanitra fa salama tsara ianao!” Hitan'ny tontolon'ny Twitter ho tena mahatsikaiky io ka namoronana tenifototra vaovao #ExcellentNawNaw.

Ny Fampidirana tao amin'ny Wiki – Pikantsary an'i Mo-ha-med

Nisy namorona pejy wiki iray ihany koa ho an'Andriamatoa Ny Saka ary i Mo-ha-med nandefa pikantsary iray sao sanatria ka ho tsoahana ilay lahatsoratra ary nampifandraisiny tamin'ny vondrona Facebook izany!

Exit mobile version