Nahatohina ireo mpikirakira aterineto tany amin'ny faritra ny famonoana an'Ing Stevens sy ireo telo hafa mpiasa tao amin'ny Kaonsily Amerikana.
Manontany ny Libyan Youth Movement (Hetsiky ny Tanora Libiana) hoe :
@ShababLibya: Inona izao no tena nilàna ny fanafihana ny kaonsily e ? Tsy misy afa-tsy fanimban-javatra, herisetra, & zava-doza tanteraka.
Abdulraqeeb Al Azzane manamarka hoe [ar]:
قتل السفير الأمريكي ليس نصراً للرسول صلوات ربي وسلامه عليه ياحمقى، بل هو ترسيخ للصورة الذهنية السيئة التي يروج لها منتجو الفيلم. أسفي #ليبيا
@alazzane: Tsy fandresena velively ho an'ny Mpaminany ny famonoana ny Ambasadaoro Amerikana ry ilay tsy misy saina ireto! Vao mainka aza manamafy ny fitsaratsaram-poana tsy mety afafin'ireo mpamokatra ilay sarimihetsika. Mahamenatra !
Mpanao hetsi-panoherana eo ivelan'ny Masoivoho Amerkana ao Cairo ny alin'ny 11 sept.2012. Sary nozarain'i @khadrania tao amin'ny Twitter
Nasr Aldbea miteny hoe [ar]:
أنا بعد شفت مظاهرات #مصر توقعت ح يصير شي مماثل في #ليبيا .. انا متأكد اللي حرقوا وفجروا ما عندهمش علم حتي بالفيلم !
@NasrAldbea: Azoko antoka fa tsy fantatr'ireo izay nandoro sy nidaroka balafomanga akory izay mikasika ilay sarimihetsika, na kely aza. Rehefa nahita izay mitranga tany Ejipta aho, dia efa niahiahy fa hisy tsy misy hafa amin'izany koa hitranga ao Libya.
Khalil Agha mibitsika hoe [ar]:
السفير الامريكي الذي قتل في بنغازي كان مناصرا قويا للثورة في ليبيا، واحب العالم العربي. فكافأنه بالقتل. بئس الامة نحن. #ليبيا #عرب #امريكا
@Khalil_alagha: Nisy namono tao Benghazzi ny Ambasadaoro Amerikana izay mpanohana matanjaka ny revolisiona Libiana sy nitia ny tontolo Arabo. Ny valim-pitiany dia ny famonoana azy. Firenena voaozona isika.
Saudi Fahad Albutairi mampahatsiahy antsika hoe [ar] :
لا شيء أشد خطرًا من شخص اجتمع فيه الحماس الديني والجهل. الثورة الليبية ستفقد مصداقيتها إن لم يُحاسب المجرمون الذين قتلوا السفير الأمريكي.
@Fahad: Tsy misy faran'izay atahorana noho ny olona iray atosiky ny fahresen-dahatra ara-pionana laroin'ny tsy fahalalàna. Ho verin'ny Revolisiona Libiana ny tena maha-izy azy raha tsy voasazy ireo tsy valahara namono ny Ambasadaoro Amerikana.
Ary manaiky izany ilay Libiana Ahmed Misrata :
@AhmedEMisrata: Ny zava-nitranga halina dia henatra ho an'ny revolisiona nataontsika, ho an'ireo maritiorantsika ary ho an'ny ankamaroantsika, ompa ho an'ny fampianarana nataon'ny Mpaminany PBUH #Benghazi
Avy any Ejipta, Schehrazade no manamarika hoe :
@_Schehrazade_: Nisy namono ny lehilahy iray nanaanteraka ny asany tao #Libya satria nisy tsy matianina namokatra sarimihetsika tsy misy dikany ary nisy tsy ampy saina nanome lanja izany. Tohizo foana ihany ny fankahalàna.
Ary avy ao Benghazi, @N_Benghazi manoratra hoe :
@N_Benghazi: Ny mpaminany tsy hanaiky mihitsy hoe hisy rà tsy manan-tsn hilatsaka satria hoe nisy olona tohina noho ny sarimihetsika novokarin'olona tsy hay tsy hay tany. #libya
Karim El Degwy, Ejiptiana mpanoratra, dia efa nilaza mialoha hoe [ar] :
الهجوم على السفارة الليبيا هيكون له تأثير كبير أوي وهـيغير نتيجة الانتخابات بما لا يفيد العرب ولا المسلمين … مبروك علينا الأرهاب يا رجاله!
@KarimElDeqwi: Hisy fiantraikany goavana ny fanafihana ny Masoivoho Amerikana tao Libya ary hanova ny vokatry ny fifidianana ho amin'ny zotra tsy hanome tombony velively ny Arabo sy ny Miozolmana. Dia arahabaina izany ny fampihorohoroana izay sitrahantsika e !
Ary mbola ao Ejipta hatrany, Nadia El Awady mamintna hoe [ar] :
والله نستاهل كل اللي يجرالنا. العالم كله حيعاملنا بقرف لحد ما نخلص على الجهل والتعصب اللي فينا. العيب فينا مش في حتة فيلم عبيط.
@NadiaE: Tena mendrika antsika marina tokoa izay mihatra amintsika. Izao tontolo izao mihitsy no hanao tsinontsinona antsika mandra-pahaleo antsika amin'ny tsy fahalalàna sy ny ‘fondamentalisme’ iainantsika. Misy zavatra tsy mety ao amintsika ao fa tsy amin'izay resaka sarimihetsika kidaladala akory.