15 Septambra 2012

Tantara tamin'ny 15 Septambra 2012

Arabia Saodita : Kaomity Manohana Ny Fanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fitànana Mandritra Ny Fotoana Tsy Voafetra

Ny Kaomitin'ny Raharaha Islamika sy momba ny Lalàna ao anatin'ilay Antenimiera Fakàn-kevitra Saodiana dia nanohana ny fanalefahana ireo fepetra takiana amin'ny fanamelohana ho faty sy hanome ho an'ny fitsaràna ny fahefana hanaiky ny famonjàna mandra-pahafaty.. Ny lalàna amin'izao fotoana dia manome tsy misy mitsipaka ny fanamelohana ho faty tao amin'ny Kaonsily Nasionaly momba ny Lalàna, saingy ilay fanitsiana natolotra dia mety hanome fahafahana ho an'ny fanamelohana ho faty tsy ho voahozongozon'ny hevitry ny maro.. Ataon'ireo mafàna fo re manerana ny Twitter ny fanoheran-dry zareo.

Libanona: Mozea Virtoalin'Ny Sivana

Mirehareha ho manana Mozea Virtoalin'ny Sivana ankehitriny i Libanona, rakitra an-tserasera momba ny sivana niseho tao Libanona nanomboka ny taona 1940. Ny fikambanana Libaney MARCH no nanangana sy nampahafantatra ny tranokala mba hisarihana ny saina mikasika ny vaovao momba ny zavatra/tranga rehetra efa nosivanina. Tamin’ny 2 Septambra 2012, andro nisokafan’ny Mozean’ny Sivana,...

Fanentanana Vaovao Sy Teny Filamatra : Ny Valiny Dia Kolombia

  15 Septambra 2012

Tamin'ny fiandohan’ny volana Septambra, namoaka lahatsary fanentanana vaovao ny Marca Colombia [es], sampan-draharaha ofisialin’ny governemanta miandraikitra ny marika Kolombia, ahitana teny filamatra hoe “Ny valiny dia Kolombia” [es] izany. Niteraka fanehoan-kevitra marobe tao amin’ny Twitter ny lahatsary, nampiasana tenifototra hoe #LaRespuestaesColombia [es] (Ny Valiny Dia Kolombia), lohahevitra nironana nandritra andron’ny Asabotsy 8 Septambra io tenifototra io. Namintina ny...

Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi

Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana azo antoka, taorian'ny fotoana naha-fahirano ny tranoben'ny kaonsily.