Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’

Fotoana ho alefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, ary Twitch

Tongava hanatevina ny Global Voices amon'ny 29 Janoary amin'ny 1:00 tolakandro UTC/GMT mandritra ny andiany vaovao amin'ny GV Insights, andian-dresaka virtoaly: “Milk Tea Alliance: Ndao hisotro ho an'ny demaokrasia”— adihevitra mivaivay momba ny “Milk Tea Alliance” sy ny fiantraikan'io hetsipanoheranan'ny tanora miely amina firenena roa na vitsivitsy io any Azia Atsinanana sy any lavitra any, miaraka amin'ireo manampahaizana  manokana avy ao Hong Kong, Filipina, Taiwan ary Tailandy, hatramin'ireo mpikambana ato amin'ny vondrompiarahamonina Global Voices.

Handeha mivantana ao amin'ny Facebook Live, YouTube, ary Twitch ny fotoana.

Ny “Milk Tea Alliance” dia hetsika iray fandraisana andraikitr'ireo mpisera amin'ny aterineto nanetsika ireo tanora mpampiasa aterineto sady mpikatroka ao  Tailandy, Taiwan, ary Hong Kong tamin'ny 2020. Zavapisotro iray malaza amidy eny amoron-dàlana sy any amin'ireny ‘cafés’ ao amin'ny faritra ireny no nakàny ny anarany. Tany am-boalohany dia tao Tailandy no nipoitra ilay hetsika, ho fiarovana ireo mpitari-kevitra ao amin'ny media sôsialy izay lasibatr'ireo mpandoto rano tia tanindrazana avy any amin'ny tanibe Shina. Taty aoriana, nisy tamin'ireo mpampiasa Twitter avy ao Hong Kong sy Taiwan naneho ny firaisankinan-dry zareo tamin'ireo Tailandey ary namaly bontana an'ireo shinoa mpandoto rano. Ny fiafaràny,  lasa vovonana iray ao anatin'ny fanentanana hisian'ny fanavaozana demaokratika ilay tambajotra tsy nanara-drafitra, no sady manasongadina ny herisetra ataon'ny governemanta shinoa sy ireo mpanohana azy.

Omen'ilay kanferansa anaty aterineto antsika ny fahafahana handalina ny niandohan'ny Milk Tea Alliance; ny fiparitahany sy ny fiantraikany ao Tailandy,  Hong Kong, ary Taiwan; ny setriny avy amin'ny tanibe Shina; ny fandrakofana ataon'ny media an'ilay fanentanana; ary ny vokatra lavitra indrindra nentiny ho an'ireo faritra hafa ao Azia hatramin'izay vinavinany ho an'ny taona 2021, indrindra fa hoe ny Febroary no hanamarika ny tsingerintaonany voalohany ilay hetsika notarihan'ny tanora tao Tailandy, raha mihamafy kosa ny famoretana ao Hong-Kong sy ny fandrahonana ataon'ireo mpanohana an'i Beijing amin'ireo mpikatroka ao Taiwan.

Jereo ny Nahoana no manao hetsipanoherana ireo tanora ao Tailandy [Ang.], fanangonana ireo fandrakofana ataon'ny Global Voices an'ireo hetsipanoherana, aingampanahy avy amin'ny  Milk Tea Alliance tao Tailandy tamin'ny 2020. 

Hijerena sy hanazavana ireo hetsika tamin'ny taona lasa, ary hiresahana ny hoavin'ny hetsika, ireto manaraka ireto no vahiny mpandray fitenenana nasainay, izay hisolo tena ireo tsy miankina mpamoaka vaovao avy ao Azia anisan'ireo voalohany nanasongadina ny Alliance ary nanaraka maso akaiky ny fielezany nanerana ny faritra: 

Handrindra ny adihevitra i Mong Palatino, toniandahatsoratry ny Global Voices ho an'ny faritra Azia Atsimo-Atsinanana sy Oseania, izay nitantara ireo  hetsika ihany koa.

Malalaka ny fidirana amin'ilay kaonferansa aterineto ary misokatra ho an'ny rehetra, sy ho alefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, ary  Twitch. Ho azon'ireo mpijery atao ny maneho hevitra ary mametraka fanontaniana amin'ireo mpandray fitenenana. Amin'ny fiteny anglisy no hanatontosana ny fotoana.

Manantena anareo hanjohy anay amin'ny Zoma 29 Janoary amin'ny 1:00 tolakandro GMT (potsiro eto mba hahitanao ny ora mifanaraka amin'ny toerana misy anao)!

Exit mobile version