Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno 

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno (@paulcoyote) noho ny vesatra tamin'ny fidirana an-tsokosoko tamin'ny rafitra solosaina sy ny angondrakitra , rehefa avy namoaka lahatsoratra iray izay nanazavany ny fomba nahazoany niditra tamin'ny resaka mikasika ny filoha Rafael Correa mba hanehoana ny lesoky ny tranonkala www.www.datoseguro.gob.ec . Ny mpisera Twitter nanangana fanentanana niaraka tamin'ny tenirohy #LiberenaPaulCoyote (afaho i PaulCoyote). Fanampim-baovao misimisy kokoa ato amin'ity lahatsoratra nosoratan'i Carlos Correa ity (@calu).

Fanavaozam-baovao: Nanome baiko ny famotsorana an'ilay bilaogera ny Filoha Rafael Correa taorian'ny telo andro nitazonana azy.

Exit mobile version