Nodimandry ny filohan'i Shily teo aloha Sebastián Piñera: Lahatsoratra miisa dimy milaza ny lova navelany

 

Sary nataon'i Distintas Latitudes. Nahazoana alalana.

Nosoratan'i Distintas Latitudes ary navoaka tamin'ny 6 Febroary 2024 ity lahatsoratra ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny lahatsoratra nasiam-panitsiana noho ny fiaraha-miasan'ny media.

Maty tamin'ny fianjeran’ny angidimby tamin’ny 6 Febroary 2024 ny filohan'i Shily teo aloha, Sebastián Piñera, izay mpitarika politika ao amin'ny firenena nandritra ny vanim-potoana roa teo anelanelan'ny 2010 sy 2014 ny iray, ary teo anelanelan'ny 2018 sy 2022 ny faharoa.

Nandeha tamin'ny angidimby izay nianjera tao amin'ny Farihin'i Ranco any atsimon'i Shily i Piñera, izay voatsikera mafy noho ny fanomezana baiko ny famoretana mahery vaika nandritra ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra tamin'ny taona 2019, ary ny tafika an-dranomasina Shiliana no nahita azy fa maty.

Nohamafisin'ny Minisitry ny Atitany sy ny Filaminam-bahoaka ao Shily, Carolina Tohá ity loza ity, izay nitatitra ihany koa fa hahazo ny fandevenam-panjakana ho azy ilay mpandraharaha.

[1/2] Malahelo mafy noho ny fahafatesan'ny filoha teo aloha Sebastián Piñera. Mankahery ny ny fianakaviany, ny namany ary ny mpiara-miasa aminy aho, ary koa ho an'ireo Shiliana rehetra izay nidonam-pahoriana tamin’ity trangan-javatra mampalahelo ity.

Taorian'ny nahafatesany, nanolotra lahatsoratra an-gazety miisa dimy mba hamantarana ny lovan’ity filoha teo aloha ity ireo mpikambana ao amin'ny Red LATAM de Jóvenes Periodistas (Tambajotran'ny Tanora Mpanao Gazety LATAM), hetsika iray avy amin'ny Distintas Latitudes izay mampiroborobo ny talenta vaovao amin'ny asa fanaovan-gazety any Amerika Latina.

Ireto ny lahatsoratra voafantina:

1. Pandora Papers: Nitomboka ho an'ny fianakaviana Piñera sy Délano ny famarotana ny tetikasam-pitrandrahana Dominga an-tapitrisny dolara notontosaina tao amin'ny vondronosy Virijiny Britanika avy amin'i La Bot

Nampiharihary ny tsy fanarahan-dalàna tamin'ny tetikasa fitrandrahana Dominga tamin'ny taona 2010, izay natao tany amin'ny Nosy Virijiny Britanika, faritany heverina fa paradisan-ketra ireo antontan-taratasy tafaporitsaka tao amin'ny Pandora Papers.

Ity tatitra fanadihadiana ity dia mampiharihary ny fomba nahazoan'ny fianakavian'ny filoha teo aloha tombom-barotra 1.000 isan-jato tao anatin'ny 18 volana vokatry ny fividianana orinasa mpitrandraka iray izay niankina tamin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemantan'i Sebastián Piñera ny fitsipika mifehy azy (sy ny fepetra fandoavam-bola fototra). Nanokatra fanadihadiana tamin’ny fomba ofisialy momba ny filoha tamin'izany ny biraon'ny Fampanoavana Shiliana.

2. Ireo orinasa izay nanorenan'ny fianakaviana Piñera Morel ny harenany, nosoratan’ny Ciper Chile

Fitantarana antsipiriany momba ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fanambaràna hetra momba ny fananan'ny fianakavian'ny filoha teo aloha, anisan'izany ireo andiana orinasa any ivelany. Tsara ho vakiana mba ahatakarana ny tsy fahampian'ny mangarahara momba ny harenan'i Piñera manokana sy ny fianakaviany.

3. Ireo “orinasa zombie” novidin'i Piñera indray mba hanavotana an-tapitrisany amin'ny hetra, nosoratan’ny Ciper Chile

Miresaka momba ny fomba nahazoan'ny filoha teo aloha orinasa maromaro izay nanambara fatiantoka tsy voamarina mba hialana amin'ny fandoavan-ketra na hamerenana indray ny hetra voaloa tamin'ny taona lasa.

4. ‘Hetraketraka’: Manajamba mpanao fihetsiketsehana ny Polisy ao Shily avy amin'ny The New York Times

Fanadihadiana momba ny ratra mafy nahazo ny maso nihatra tamin'ny mpianatra maro mpanao fihetsiketsehana taorian'ny famoretana mahery vaika tamin'ny fihetsiketsehan'ny taona 2019. Nandritra ny hetsi-panoherana tao Shily, olona miisa 30 no matin'ny mpitandro ny filaminana, 25.000 no nosamborina, 3.500 no naratra ary 347 ny olona naratra mafy tamin’ny maso noho ny tifitra bala fingotra sy ny baomba mandatsa-dranomaso. Tena fahita nandritra ny fipoahana ara-tsosialy ny ratra tamin’ny maso ka nanjary mariky ny ady ho an'ny demaokrasia sy ny fanajana ny tsy fitovian-kevitra tao amin'ny firenena.

Pikantsarin'ny tranonkala New York Times website nalaina ny 7 Febroary 2024. Maimaim-poana.

5. Alejandra Matus sy #EnjoyGate: “Na aiza na aiza efitra famoahan-gazety dia tokony ho loharanom-pahalianan’ny mpanao gazety izany” avy amin’i Diario UChile

Ato amin'ity lahatsoratra ity, mizara ny heviny momba ny fifanarahana nataon’i Piñera ny mpanao gazety Alejandra Matus ary nanambara fa natao hanavotana ny orinasa casino Enjoy S.A. tsy ho bankirompitra ny sonia nataon'ny filoha teo aloha tamin'ny didim-panjakana momba ny tolo-bidy ho an'ny casinos monisipaly. Mpiara-miombon’antoka ao amin’ilay orinasa ny filoha teo aloha sy ny fianakaviany.

Fampahalalam-baovao hafa atolotra hanarahana ny zava-mitranga ankehitriny ao Shily:

https://www.elciudadano.com/cl/

www.youtube.com/@radiolaclave

https://www.biobiochile.cl/

https://www.latercera.com/

https://www.ciperchile.cl/

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.