Tantara tamin'ny 09 Avrily 2019
Iza moa i Janet Chávez Santiago, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 8 – 14 Avrily

Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Janet Chávez Santiago, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas Twitter mandritra ny herinandron'ny 8-14, Avrily 2019 ao amin'ny fanentanana vaovao amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroam-piteny an-tserasera.
Maraoka: Mpianatra nogadraina noho ny faniratsirana ny mpanjaka tao anaty lahatsary

Voampanga higadra 3 taona an-tranomaizina ny mpianatra Maraokana 24 taona, Abdelsamad Haydour, noho ny fanakianana ny mpanjakan'i Maraoka tao anaty lahatsary nalefa tao amin'ny YouTube. Niteraka fanehoan-kevitra mahery vaika tao amin'ny tambajotra sosialy ny vaovao momba ny didim-pitsarana .
Arahabao i Bassel fa tsingerintaona nahaterahany ny 22 Mey

Nankalaza ny faha-33 taonany - ny fahatelo tao an-tranomaizina tany Damaskosy ny Alakamisy 22 May 2014 i Bassel Safadi.Tsy tianay i Bassel hankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, irery any am-pigadrana. Tianay izy handre ny feonay miteny mafy sy mazava ary mahafantatra fa mbola manohana azy izahay amin'ny raharahany.
Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno (@paulcoyote) noho ny vesatra tamin'ny fidirana an-tsokosoko tamin'ny rafitra solosaina, rehefa avy niditra tao amin'ny angondrakitry ny Filoha Rafael Correa manokana izy mba hanehoana ny lesoky ny tranonkala ofisialin'ny manampahefana.
Shina: ‘menaka maloto’ mameno ireo toeram-pisakafoanana
Nanagadra mpanadio menaka ao Hubei ny ekipa mpanao fanadihadiana ara-toekarena tamin'ny 10 Novambra noho ny famenoana "menaka maloto" maherin'ny 60 taonina eny amin'ny indostrian'ny tranom-pisakafoanana eo an-toerana nandritra ny telo taona lasa. Hoy ny tatitry ny Jingzhou News ao Hubei.