
Fandravahana nataon'i Distintas Latitudes. Nahazoana alalana.
Lahatsoratr'i Distintas Latitudes ary nivoaka tamin'ny 10 Janoary 2023. Endrika nasiam-panovana no avoaka ato amin'ny Global Voices indray araka ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty.
Nisy vondrona mitam-piadiana iray niditra ankeriny tao amin'ny toerana misy ny fantsona Ekoadaoreana TC Televisión tao Guayaquil nandritra ny minitra maromaro tamin'ny 9 Janoary 2024, raha mbola nisy mivantana notontosaina tamin'izany. Nohazonina ho takalon'aina ny mpiasan'ny fantsona ary navotan'ny polisy ekoadaoreana avy eo.
Niaina andro iray tena nisavoritaka sy feno herisetra nandritra ny ora maromaro i Ekoadaoro — taorian'ny fitomboan-kerisetra tsikelikely nandritra ny volana maromaro — tamin'ny fandrenesam-baovaom-pandrobana tao Quito renivohitra, ny fiatoan'ny fampianarana any amin'ny oniversite rehetra ao amin'ny firenena, ary ny tatitra fisian'ireo andian-jiolahy mitam-piadiana any am-ponja sy any amin'ny hopitaly.
Nanomboka ny 8 janoary lasa teo, roa tamin’ireo jiolahy tena mampidi-doza ao amin’ny firenena any ampandosirana. Faritany tsy misy lalàna sy filaminana ny fonjan'i Ekoadaoro.
Taorian’ny zava-nitranga dia nanasonia ny didim-panjakana (faha)111 ny filoha vao voatendry, Daniel Noboa, izay 50 andro teo amin’ny fitondrana, izay manondro ny fisian’ny “ady anatiny mitam-piadiana” ao amin’ny firenena, nahamarika vondrona sy andian-jiolahy maherin’ny 20, ary manome alalana ny tafika hanao hetsika hiadiana amin'izy ireo.
Manoloana an'io toe-javatra io, nandray ny andraikitra ny Distintas Latitudes nanangona lahatsoratra, tatitra sy votoaty izay manampy amin'ny fanomezana odidina sy manazava ny herisetra iainan'i Ekoadaoro. Ny tolo-kevitra dia avy amin'ny ekipan'ny Distintas Latitudes: Karol Noroña, Ana Cristina Basantes, Valentín Díaz, ary Samantha Proaño, Ekoadaoreana mpanao gazety nandray anjara tamin'ny X Space novokarin'ny Distintas Latitudes “Inona no mitranga ao Ekoadaoro?”

Pika amin'ny tranonkalan'ny AP tamin'ny 18 Janoary 2024.
1. “Mandeha mivantana izahay”: Lehilahy mitam-piadiana nanafika toby televiziona tao Ekoadaoro anivon'ny firongatry ny herisetran-jiolahy, nataon'ny AP
Ity lahatsoratra ity no manazava tsikelikely ny zava-nitranga tao amin'ny TC Televisión tao Guayaquil sy ny odidin'ny toe-draharaha. “Lahatsoratra tena tsara hanazavana ny zava-nitranga tamin’izao andro izao” izy io, hoy i Karol Noroña. Mpanao gazety avy ao Guayaquil, Ekoadaoro no nanoratra azy.
2. Nanambara ny “ady mitam-piadiana anatiny” ao Ekoadaoro i Daniel Noboa taorian'ny firodonan'ny commando mitam-piadiana tao amin'ny fahitalavitra iray , avy amin'i El País
Manolotra ity lahatsoratra navoaka tao amin'ny El País ity i Ana Cristina Basantes, izay manome fanazavana ankapobeny ny zava-nitranga tamin'ny 9 Janoary, anisan'izany ny antsipirihan'ny fidirana an-keriny tao amin'ny TC Televisión tao Guayaquil sy ny fanapahan-kevitra politika tsy maintsy noraisina manoloana ny fikorontanan'ny mponina sy ny disadisa nateraky ny halehiben'ny herisetra.

Pikantsary amin'ny tranonkalan'ny Plan V tamin'ny 18 January 2024.
3. Inona ny dikan'ny atao hoe “ady mitam-piadiana anatiny” ao Ekoadaoro?, avy amin'i Plan V
Ity lahatsoratra ity no manazava tsara ny fiantraikan'ny didim-panjakana faha-111 nosoniavin'ny filoha Daniel Noboa, ho fanitarana ny Tany Mihotakotaka (Toa-javatra manokana) efa nambarany. Io didim-panjakana io no nanokatra toe-draharaha tsy mbola nisy toy izany tao amin’ny firenena. Nambaran'ny Governemanta ho mpampihorohoro ireo olona mandray anjara amin'izany, sady ekena ho mpiady tsy avy amin'ny fanjakana; ary nanondro andian-jiolahy miisa 22 fara fahakeliny, izay mifanao an-dolompo ny sasany. Manam-pahaizana maromaro no naneho ny heviny manoloana ny halehiben'ny fepetra sambany nampiharina.
4. Andro maromaro talohan'ny fandosirana dia tsy tonga tao amin'ny fitsarana ambony ifanolanany amin'i Fito ny SNAI, avy amin'ny Plan V
Lahatsoratra tena tsara hahatakarana ny iray amin'ireo antony sy ny tokotanin-tsehatry ny fandosiran'i alias Fito, mpitarika ny andian-jiolahy Los Choneros, iray amin'ireo fikambanan-jiolahy lehibe indrindra ao Ekoadaoro. Zava-dehibe izany, hoy i Karol Noroña, satria mampiseho ny tsy fitandreman’ny fanjakana sy ny firaisany tsikombakomba tamin’ny zava-nitranga tamin’ny 9 janoary.
5. Tsy nahomby ny fampitoniana ny fonja tamin'ny taona 2022: fanadihadiana, avy amin'i GK
Tatitra avy amin'ny Ekoadaoreana mpanao gazety any an-tsesitany Karol E. Noroña izay ahitana ny feon'ireo voafonja, fianakaviana, manampahaizana sy ireo loharanom-baovao manokana avy any am-ponja, izay manazava ny nampandamoka ny politikan'ny fampitoniana. Hazavainy ny lainga sy ny fahadisoam-pihetsika nataon'ny governemantan'ny filoha teo aloha Guillermo Lasso, izay nanampy trotraka tamin'ny zava-misy ankehitriny. Tena ilaina ny mamaky lalina kokoa ny tontolon'ny fonja ao Ekoadaoro sy ny anjara asany amin'ity krizy ara-tsosialy ity.
6. Fanadihadiana fanao tahiry Los Choneros: roapolo taonan'ny herisetra, nataon'i Plan V
Nandrisika ity fanadihadiana ity i Valentín Díaz anadihadiana ny niandohana sy ny tantaran'ny Los Choneros, andian-jiolahy lehibe indrindra ao Ekoadaoro. Avoakany antsipiriany ny fomba namoronana sy izay namorona azy ary ny zava-nitranga tao amin'ny fikambanana taorian'ny namonoana ny lehibeny ambony, Jorge Luis Zambrano, alias “Rasquiña,” tamin'ny taona 2020.
7. Inona no ao ambadiky ny fisesisesin-kerisetra ao Ekoadaoro?, El Hilo Podcast
Samantha Proaño, mpanao gazety avy any Cuenca, Ekoadaoro, no mitondra antsika ity ampaham-pitantarana El Hilo navoaka tamin'ny Novambra 2021 ity, fony nanomboka ho tsikaritra ny herisetra tao Ekoadaoro sady lohahevitra nisarika ny sain'ny tao amin'ny kaontinanta. Valian'ny ampaham-pitantarana ireo fanontaniana fototra hahatakarana ny krizy ara-politika sy ara-tsosialy ao Ekoadaoro sy ny fomba nivoaran'ny firenena avy amin'ny faritra fandalovana mankany amin'ny fitarihana amin'ny fanondranana zava-mahadomelina ao amin'ny faritra.

Pikantsarin'ny tranonkalan'ny El Hilo nalaina tamin'ny 18 Janoary 2024.
8. Ireo Zanaky ny coca tsy hita maso, nataon'i GK
Mandrisika amin'ny famakiana ity tatitra fitantarana ity izahay amin'ny fanehoany ny zava-misy iainan'ny kilonga ao amin'ny iray amin'ireo faritra feno fifandirana indrindra ao Portoviejo, renivohitry ny faritanin'i Manabí, Ekoadaoro, voasaringotra ao anatin'ny herisetra, ny fahantrana, ary ny fanondranana madinidinika kôkainina sy rongony ho hany lalana iray ahavelomana.