Ora vitsy taorian'ny Baidu lasa mainty, maitso, fotsy sy mena, namoaka ny valim-panafihan'izy ireo ny vondrona Shinoa mpijirika milaza ny tenan'izy ireo fa Shinoa Honker, nijirika na naka ny lisitr'ireo tranonkala izay nahitàna ny an'ireo Mpitarika Faratampony ao Iran, ny filoha Ahmadinejad, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Fiarovana sy ny Atitany, ankoatra ny hafa. Mbola azo jerena ato ny asan'izy ireo.
Na dia malaza be ao Shina aza ny Baidu, mbola mankatò ny manampahefana Shinoa izy ka vokatr'izany, dia nahazo ny anjara dokambarotrany noho ny sivana mavesatra tamin'ireo valim-pikarohana sy ny votoatin'ny mpiserasera amin'ny tolotra hafa omen'ny orinasa. Rehefa hita niharihary fa nihevitra ireo mpanafika aterineto Iraniana fa nandefa hafatra ho an'ireo feo Shinoa liam-pandrosoana manakiana ny governemantany, nanomboka nivezivezy tao amin'ny Twitter ny vazivazy ary niparitaka tany amin'ny tranonkala Shinoa hafa. Mbola tsy fantatra raha fantatr'ireo “miaramila-antserasera” avy amin'ny firenena roa tonta ny antony nifanafihan'izy ireo.
Avy amin'ny Twitter androany:
@shizhao: 伊朗人民被中国人民伤害了感情….
@shizhao: Noratrain'ny vahoaka Shinoa ny fahatsapan'ny Iraniana…..
@line_4: Na inona na inona atao, aza lazaina amin'ny Tafika Antserasera Iraniana fa ny GFW no tambajotra lehibe aterineto Shinoa. Raha mikatona ny GFW, dia ho very i Shina. #CN4Iran.
@hecaitou: Raha esorin'ireo Iraniana mpijirika ny GFW-anay, raha esorinay ny azy ireo, dia ho torana ny roa tonta, ary amin'ny farany, hisy olona an'hetsiny vitsy ho faly fa tsy voakasika, izay hifandray tanana sy hifampisaotra rehefa mihaona izy ireo. Dia hahatsapa fa kanosa tanteraka ireo mpijirika ireo araka izany…
@LEMONed: Efa ho adiny efatra no nojirihan'ny Tafika Antserasera Iraniana ny baidu.com. Nilaza ny media fehezin'ny fanjakana, CN fa nosomparan'ny mpandray fisoratana anarana Amerikana ny anaran-tsehatra reg info.
@daxa: 百度被黑,我很开心,这个甘心做太监、做党奴的公司,被黑一下很好!
@daxa: Faly aho fa nakatona ny Baidu. Mahafinaritra fa rava nandritra ny fotoana lavalava ity orinasa maniry fatratra ny ho tokana, andevon'ny Antoko ity.
@cctvWeb: Henoy, ry Tafika Atserasera Iraniana, na dia nahazo an'ny baidu.com aza ianareo, mbola manana ny matanjaka qq.com, cctv.com, people.com.cn sy xinhuanet.com izahay #CN4Iran
@QmQ: #CN4IRan tsy misy dikany ny fijirihana ny baidu satria mampiasa cctv.com xinhuanet.com izahay. Saingy tsy mihevitra aho fa afaka mijirika ireo tranonkala ireo ny tafika antserasera iran
@CN4IranMsVFAB: miahiahy aho fa nojirihana ny Baidu satria mahafantatra ny fanohanan'ny #cn4iran ny #iranelection. Nojirihan'izy ireo ny Twitter tamin'ny farany.