(Marihina fa tamin'ny 14 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Nanomboka niantso izany zavatra niainany izany hoe “Sancocho de Video” izy ireo: ny hoe sancocho dia anarana nomena ny lasopy maro samihafa manerana an'i Amerika Latina. Momba ny fandehanana manodidina ny bolongana ny lahatsary farany avy amin'ny vondrona Bilaogeran-dahatsary Iraisam-pirenena . Nizara ny tontolo manodidina azy ny Bilaogeran-dahatsary avy any Kolombia, Israely, Canada, Alemaina sy Etazonia. Azonao jerena amin'ny alalan'ny kitika eto na amin'ny fanindriana ny fandefasana ity lahatsary manaraka ity izany.
Efa manana lahatsary fiaraha-miasa miisa 31 mahery ny Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena ao amin'ny pejy blip.tv ary manantena hatrany hanampy bilaogeran-dahatsary maro kokoa izy ireo ao amin'ny tranonkalany. Ireo olona liana amin'ny fanaovana lahatsary maharitra 1 minitra no zavatra ilaina : manazava ny toerana misy azy ireo sy ny momba azy ireo ny 30 segondra voalohany, ary maka sary ny “tanjon'ny ” lahatsary manaraka ny 30 segondra faharoa , ary avy eo misintona ny lahatsary sy mandefa izany amin'ny mailaka. Azonao jerena ato ny toromarika amin'ny teny espaniola.
Navoaka teo ambanin'ny lisansa Creative Commons ireo lahatsary rehetra ireo, ary azonao atao ny mandray anjara amin'ny dingana amin'ny alalan'ny famakiana ny wiki . Ny fitetezana amin'ny alalan'ny fizarana samihafa no fomba lehibe ahitana ny fomba fijery mikasika ny olana amin'ny ankapobeny. Ao amin'ity lahatsary manaraka ity [es], mitondra antsika ny fitsidihana lavitra ny toeram-pivarotana lehibe mankany amin'ny tsena nentim-paharazana samihafa any Frantsa, Angletera, Italia, Alemaina, Meksika, Brezila, Etazonia, Chile, Espaina ary Kolombia ny Bilaogeran-dahatsary.