Tantara tamin'ny 17 Jolay 2017
Kenya-Congo (RDC): Miainga Avy Amin'ny Mponina Ao An-toerana Ny Fiarovana Ny Tontolo Iainana
Mifototra amin'ny vahoaka izay mipetraka manodidina na ao anatin'ny faritra voaaro ny politika fiarovana ny tontolo iainana. Nanita-kevitra tamin'ity tanjona manaraka ity ny mpiaro ny tontolo iainana dia ny fanentanana sy ny fampandraisana anjara ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana izay mipetraka manodidina ny faritra voaaro.
India: Famandrihan-toerana, Lalàna, Bollywood, Voanjo
Hatramin'izao, amin'ity volana ity, ny lohahevitra lehibe amin'ny fifanakalozan-kevitra virtoaly ao India dia ny amboara manerantany ho an'ny lalao cricket ao Antilles. Satria voahilika mazava amin'ny amboara manerantany i India ankehitriny, nitodika tamin'ny olana hafa ny sain'ireo bilaogera.
Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena: Fiaraha-miasa Miampita Sisintany
Ny Vlog International (Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena) dia tetikasa mampivondrona ireo bilaogeran-dahatsary miteny Espaniola : mandefa ny heviny ny olona ary rehefa voafidy ny iray amin'izany dia mandrakitra ny sombindahatsariny ny tsirairay
Lahatsary HUB: Miaro Ny Zon'ny Vehivavy Mpikatroka Manerana Izao Tontolo Izao
Manolotra antsika lahatsary telo nalaina tao amin'ny hetsika "Human Rights for Women; Human Rights for All" ( Zon'olombelona Ho An'ny Vehivavy; Zon'olombelona Ho An'ny Rehetra) ny Witness' The HUB Beta, izay nahitana vehivavy maherifo miisa 3 miaro ny zon'ireo vehivavy hafa...
Ho An'ireo Siriana Mpitsoaponenana Monina ao Jordàna, Mitondra Fanantenana sy Ainga Vao Ho Fanarenana ny Fireneny Ny Asa Fanaovana Gazety
Ho an'ireo Siriana mpitsoaponenana ao Jordàna, manome azy ireo ny traikefa ilainy mba hitantaràna ny tantaran-dry zareo manokana ny Syrians Between Us .
Niteraka Resaka Heloka An-tserasera sy Sazy Ny Tsaho Niely Fa Nirodana Ny Tonelina Ambanidia

Nosamborin'ny polisy tao Madagasikara ny lehilahy iray ahiahiana fa nizara "vaovao diso" tao amin'ny Facebook momba ny firodanan'ny tonelina
Tamin'ny Tsingerintaona Faha-45 Niverenan'i Okinawa Tao Japan, Manohitra Ny Fijoroan'ny [Tafika] Amerikana Ao Aminy Ny Vahoaka
45 taona lasa izay no namerenan'i Etazonia an'i Okinawa ho any Japan. Saingy mbola mibahan-toerana amin'ny endritany sy ny politikan'ny prefektiora ny toby Amerikana.
Mamela Ny Vondrom-piarahamonina Tompotany Kolombiana Handefa Antserasera Ny Fampianarana Ny Fiteniny Ny ‘En Mi Idioma’

"...nanana kolontsaina am-bava izahay nandritra ny taona maro ary mbola manohy izany hatramin'izao , kanefa mihevitra izahay fa zava-dehibe ny manorina ny rafitra ara-tsoratra ho toy ny paikady velona."
Rosia: Ilay Mpandeha Tsy Nanana Tapakila
Ao Moskoa, azo vidiana any amin'ny mpamily 25 robla izay mitovitovy amin'ny 1$ ny tapakila ho an'ny fiara fitateram-bahoaka/trolleybus/tram . Mahazo fihenam-bidy ianao raha toa ka mividy ny tapakilanao eny amin'ny fivarotana manokana. Kanefa aleon'ny olona sasany manao hosoka sy mitaingina maimaim-poana. Fantatra amin'ny anarana hoe zayats amin'ny Rosiana: izany hoe bitro dia ny mpandeha tsy manana tapakila . Nitantara (RUS) ny zavatra hitany vao haingana raha nifanena tamin'io karazan'olona io ilay mpisera LJ kozenko monina ao Moskoa :