Nanao fihetsiketsehana ireo vehivavy tany Pakistan nandritra ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy nitaky hananana toerana ho azy ireo eo amin'ny fiarahamonina, nitaky ny zon'izy ireo, ary nitaky ny rariny avy amin'ny rafitra fanjakazakan-dehilahy tsy mampahomby azy ireo. Tamin'ity taona ity, niompana tamin'ny voka-dratsin'ny valan'aretina COVID-19 tany Pakistan ihany koa ny hetsika Diabe Aurat (Diaben'ny Vehivavy). “Valan'aretin'ny fanjakan-dehilahy” hoy ireo mpanao fihetsiketsehana ka nitaky ny hampiakaran'ny governemanta ny tetibola ara-pahasalamana ho 5 isanjaton'ny harinkarena faobe izy ireo mba hisitrahan'ny vehivavy fikarakarana ara-pitsaboana tsara kokoa.
Nandritra ny taona efatra nisesy, nikarakara fihetsiketsehana nanerana an'i Pakistan ny fikambanana feminista Hum Aurtein, izay nomarihina tamin'ny diabe, fampiratiana zava-kanto ho an'ny daholobe ary fampisehoana manasongadina ny fanamby atrehin'ireo vehivavy.
Anisan'ny olana nahasarika ny sain'ny mpanao fihetsiketsehana ny firongatry ny herisetra an-tokantrano sy ny fanararaotana ankizy manerantany noho ny fihibohan'ny fianakaviana tao an-trano nandritra ny valan'aretina ary tsy nahazo fitsaboana na fanampiana ampy ireo vehivavy ary tsy nisy hafa tamin'izany no nitranga tao Pakistan.
Samy nanoratra manifesto isankarazany ny faritra isan-tanàna tamin'ny Diabe Aurat (Islamabad, Lahore, Karachi, Multan, Bahawalpur, Hyderabad).
Nifantoka tamin'ny fikarakarana ara-pahasalamana ho an'ny vehivavy ny manifesto tao Lahore.
Aurat March Lahore is incredibly proud to share its #AuratMarch2021 manifesto, a “Feminist Manifesto on Healthcare”.
Access here: https://t.co/iLsYn1u9Vo
This document is a collective effort, put together after months of research & LISTENING. 1/5#PatriarchykaPandemic
— عورت مارچ لاہور – Aurat March Lahore (@AuratMarch) February 23, 2021
Mirehareha amin'ny fizarana ny manifesto-ny, “Manifesto Feminista momba ny Fikarakarana Ara-pahasalamana” ny Diabe Aurat 2021 tao Lahore.
Jereo eto: https://t.co/iLsYn1u9Vo
Ezaka niarahana niasa ity antonta-taratasy ity, novolavolaina nandritra ny volana maro tamin'ny fikarohana sy ny FIHAINOANA.
Nifantoka tamin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ny olona niova fananahana ary ireo olona sady tsy lahy no tsy vavy ny manifesto tao Karachi.
Saada haqq
Aithay rakh!Here is our 15 point agenda for this year! It is a condensed version of our complete charter of demands & focuses broadly on the theme of gender-based violence inflicted upon women, transgender & non-binary persons.#AuratMarch2021#PatriarchyKaPandemic pic.twitter.com/TApDaKfmz5
— Aurat March – عورت مارچ (@AuratMarchKHI) March 7, 2021
Saada haqq
Aithay rakh!Ity ny fandaharam-potoananay miisa 15 amin'ity taona ity! Famintinana ny satanay feno mirakitra ireo fitakiana sy mifantoka tanteraka amin'ny lohahevitry ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ireo olona niova fananahana ary ireo olona sady tsy lahy no tsy vavy.
(Sada haq, Aithay rakh – Put our Right Here. Aurat Dharna – Women sit-in.)
(Sada haq, Aithay rakh – Apetraho eto ny zontsika. Aurat Dharna – fitokonan'ny Vehivavy.)
Nifantoka tamin'ny olana miainga amin'ny fahasalamana, ny rariny ara-toekarena ary ny herisetra vokatry ny fanjakan-dehilahy ka hatrany amin'ny kileman'ny fitsarana sy ny krizin'ny fiovan'ny toetr'andro ny tao Islamabad.
AURAT AZADI MARCH 2021 CHARTER OF DEMANDS
Our demands are linked to this year's theme of the crisis of care in the coronavirus pandemic. The issues we have highlighted range from healthcare, economic justice & patriarchal violence to disability justice & climate change crisis. pic.twitter.com/AeD9V9XJ2b
— Aurat Azadi March Islamabad (@AuratAzadiMarch) March 7, 2021
DIABE AURAT AZADI 2021 SATAN'NY FITAKIANA
Mifandraika amin'ny lohahevitra tamin'ity taona ity momba ny krizy ara-pahasalamana amin'ny valan'aretina coronavirus ny fitakianay. Manomboka amin'ny fikarakarana ara-pahasalamana, ny rariny ara-toekarena ary ny herisetra vokatry ny fanjakazakan-dehilahy ka hatrany amin'ny kilema ara-pitsarana sy ny krizin'ny fiovan'ny toetr'andro ny olana nasongadinay.
Mahakasika hatrany ireo olana maika any Pakistan ny Diabe Aurat. Isan-taona, mitondra ny tantaran'ny namany sy ny fianakaviany izay lasibatry ny fiarahamonina anjakazakan'ny lehilahy ny olona.
It is easier to sit in cozy drawing rooms and nitpick on the social causes, in reality you can't even imagine stepping into the shoes of the victims rallying for justice!
At #AuratMarch2021 Karachi, heard Neha share horrifying account of her forced conversion & marriage (1) pic.twitter.com/q4DI7iTSp8
— Sukhdev (@SukhdevHemnani_) March 8, 2021
Mora kokoa ny mipetraka ao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny mahafinaritra ary mitsongoloka momba ny olana ara-tsosialy, tsy azonao an-tsaina akory anefa raha ny marina ny mipetraka eo amin'ny toeran'ireo niharam-boina mitaky ny fahamarinana!
Tao amin'ny Diabe Aurat 2021 tao Karachi no nahenoko an'i Neha nizara ny fitantarana mampivarahontsana momba ny fanovana an-tery sy ny fanambadiany (1)
This young man is from Chitral. He says Kalasha women are forcibly converted and married off. This is why he marches today. #AuratMarch #Karachi pic.twitter.com/uokFxGKADQ— Samaa Life&Style (@LifestyleSamaa) March 8, 2021
Avy any Chitral ity tovolahy ity. Nilaza izy fa noterena hiova ary nampanambadiana ny vehivavy Kalasha. Izany no antony anaovany diabe anio.
Zavakanto sy ny hetsi-panoherana ao Lahore
Nahitana ny famoronana zavakanto mampiseho ireo “pentin'ny fanjakan-dehilahy ” amin'ny akanjom-behivavy ny Diabe Aurat tany Lahore, ary niantso izany ho “lamba maloto” izy ireo. Hita tamin'izany ny hafatra avy amin'ny vehivavy sy ny tovovavy, milaza ny taona nanombohan'izy ireo niaina voalohany ny herisetra, ny fanorisorenana, ny herisetra ara-tsaina ary ny fandavana ny fahalalahan'izy ireo.
Trigger Warning
Every year #auratmarch comes forward with great ideas to highlight women issues, pains, blood and loss… this display speaks of all that babies, girls women have gone through…. #WhyIMarch #WomensDay @AuratMarch #Lahore pic.twitter.com/2fFKwMIgDX— Umaima Ahmed (@UmaimaBlogger) March 8, 2021
Tandremo fa mety ahatohina ny sary
Isa-taona, tonga miaraka amina hevitra lehibe hanasongadinana ny olan'ny vehivavy, ny fanaintainana, ny rà latsaka sy ny fatiantoka #diabeaurat… miresaka momba ny zava-drehetra niainan'ireo zazavavy, vehivavy ity fampisehoana ity….
Namorona zavakanto feminista ho an'ny daholobe ireo artista sy mpanao tefibika manerana ny firenena mitantara ny tantaran'ny vehivavy, ny fiaretan'izy ireo, ny fijalian'izy ireo eo amin'ny fiarahamonina, manasongadina ny fotokevitra lehibe ao amin'ilay manifesto.
Naseho ihany koa ny afisy lamba mena #MeToo (Izaho koa), ahitana tantaran'ny fanararaotana, fanorisorenana, herisetra, mampiseho ny rafitra izay niteraka tsy fahombizana ho azy ireo nandritra ny taona maro.
TRIGGER WARNING// RAPE AND ASSAULT #AuratMarchLahore is unfolding its #metoo blanket. Women have shared their experiences of sexual violence and abuse. We're sharing small snippets from the blanket being carried by the marchers right now. (1)#PatriarchykaPandemic pic.twitter.com/cPZbhRJYyd
— عورت مارچ لاہور – Aurat March Lahore (@AuratMarch) March 8, 2021
TANDREMO METY HANOHINA NY SARY // FANOLANANA SY HERISETRA #DiabeAuratLahore mamelatra ny afisiny #metoo. Nizara ny zavatra niainany tamin'ny herisetra ara-nofo sy fanararaotana vehivavy. Mizara sombintsombiny kely avy amin'ny lamba firakotra izay entin'ny mpanao diabe amin'izao ora izao izahay.
Nihira ny hiran'ny feminista Shiliana “You are the Rapist” (Ianareo no mpanolana) amin'ny fiteny Urdu ireo mpanao fihetsiketsehana tao Lahore , ary nandihy tamin'ny hira folk Sufi (mistika) i Alina, vehivavy niova taovam-pananahana.
Teny filamatra sy fanehoan-kevitra
Nanatrika ny diabe tao Lahore ihany koa ireo vehivavy, tovovavy, ireo niova taovam-pananahana ary ny olona izay sady tsy lahy no tsy vavy sy ny lehilahy avy amin'ny sokajin-taona rehetra, nilanja sora-baventin'ny teny filamatra fanoherana ny fanjakazakan-dehilahy.
Literally the best day ever!! pic.twitter.com/heXj3tp72U
— idk i suck ( ꈍᴗꈍ) (@yaarlybawhy) March 8, 2021
Ilay andro tsara indrindra ara-bakiteny!!
At the #AuratMarch2021 pic.twitter.com/dFaVMzc6d4
— Ailia Zehra (@AiliaZehra) March 8, 2021
Tao amin'ny diabe Aurat 2021
Andro vitsy talohan'ny nanaovana ny diabe Aurat dia nanomboka niparitaka be ny fironana tamin'ny fanoherana izany tao amin'ny tambajotra sosialy. Nilaza ny tenirohy fa vatsian'ny any ivelany vola sy mampiroborobo ny fomba fisainana tandrefana ny diabe Aurat. Nilaza ihany koa ny olona fa mifanohitra amin'ny finoana ara-pivavahana io diabe io ary efa manana ny zony ny vehivavy ao amin'ny Islamo.
Nisioka i Khalil Ur Rehman Qamar, mpanoratra tantara an-tsehatra sady tale (nofafana ilay sioka taty aoriana):
Aurat March is name of shamefulness. It is run by Western NGOs who are working against Islam. Agenda of feminists are to manipulate thought of Muslims women in the name of freedom, but we should need to reveal their real faces and people who are behind it #ForeignFundedAuratMarch
— Khalil Ur Rehman Qamar (@KRQ_Official) March 7, 2021
Anarana mahamenatra ny Diabe Aurat. Ny ONG Tandrefana manohitra ny Islamo no mikarakara izany. Natao hanodinkodinana ny sain'ny vehivavy Miozolomana amin'ny anaran'ny fahalalahana no tetipanoron'ny feminista, saingy tokony hampiharihary ny tena endrik'izy ireo isika sy ireo olona ao ambadik'izy ireo.
Ireo fikambanana mpandala ny nentin-drazana sy ny elatra havanana no mpanohitra mahery setran'ny vondrona feminista Diabe Aurat. Voakorontana ny Diabe Aurat Azadi tany Islamabad tamin'ny taon-dasa rehefa notorahan'ny olona mpanohitra avy amin'ny “Diabe Haya” biriky sy vato ny mpandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana. Tamin'ity taona ity, nikarakara diabe tamina tanàna maro manerana an'i Pakistan ny elatry ny vehivavy ao amin'ny antoko politika ara-pinoana Jamaat e Islami. Ny Firaisam-pianakaviana no teny filamatr'izy ireo fa tsy ny Feminisma.
Jamaat e Islami Women Wing holds a rally at Press Club Karachi with a slogan of Strong Women Strong Family & Strong Families make Strong Nation. JI women wing firmly believes that #OurStrenghtIsOurFamily & #Familism than #Feminism pic.twitter.com/nFwyd1Hwvl
— Jamaat Islami Karachi East (@JIKarachiEast) March 8, 2021
Nanao fihetsiketsehana tao amin'ny Press Club Karachi miaraka amin'ny teny filamatr'ireo Vehivavy matanjaka sy fianakaviana matanjaka sy fianakaviana matanjaka ho an'ny firenena matanjaka ny elatra Jamaat e Islami Women. Mino tanteraka ny elatry ny vehivavy JI fa ny #NyHerinaynoFianakavianay sy #Firaisam-pianakaviana noho ny #Feminisma
Matetika voafetra amin'ny fanehoana ny teny filamatra sy ny sora-baventy voafantina hanaratsiana ny hetsika ny fitantarana ny diabe Aurat. Tamin'ity taona ity ny mpikarakara nangataka tamin'ny fampitam-baovao mba hanoratana ny anaran'ny mpitati-baovao amin'ny diabe, ary tsara kokoa raha vehivavy izany. Saingy tsy nizotra araka ny tokony ho izy izany ary niantso izany ho toy ny “manohitra ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety” ireo YouTubers izay naniry hitatitra ny hetsika.
Being a woman & a journo, I disagree with this bar. Movements must let their natural course flow which also includes -ve propaganda against them. Never in history successful movements have put barriers. OTOH, journalists must exercise objectivity not sensationalism to cover #AuratMarch https://t.co/kO7oqKal3B
— Gharidah Farooqi (@GFarooqi) March 8, 2021
Tsy mitovy hevitra amin'ity famerana ity aho amin'ny maha vehivavy sy mpanao gazety ahy. Tokony hamela ny fanaovana tatitra mahazatra ny fihetsiketsehana izay ahitana ihany koa ny fampielezan-kevitra manohitra azy ireo. Tsy mbola nisy teo amin'ny tantara ny hetsika mahomby manao fanakanana. Etsy andaniny, tokony hanana [fijery tsy mitongilana] ny mpanao gazety fa tsy ho taitaitra fotsiny ihany.
Hatramin'ny nanombohan'ny diabe, lahatsoratra amin'ny tambajotra sosialy maro be no namaly ny olom-pirenena mpanao gazety (ireo milaza tena ho mpanao gazety, ny YouTubers, mpamorona votoaty ao an-toerana, sns.) momba ny fomba ilazany ireo mpanao fihetsiketsehana, ny fametrahana fanontaniana tsy ampiheverana ka mahatonga azy ireo ho sadaikatra.
This (hyper) journalist with Daily Pakistan is threatening a volunteer of Aurat March Karachi. After he was seen asking insulting, controversial questions to the participants, he was politely asked to leave.
His name is Osama and has worked with various media outlets. pic.twitter.com/f8DcsGPkCv— Fawad फ़वाद ?? (@FawadHazan) March 9, 2021
Mandrahona mpilatsaka an-tsitrapon'ny Diabe Aurat iray ao Karachi ity mpanao gazety (mavitrika tafahoatra) avy ao amin'ny Daily Pakistan ity. Nangatahana hiala tsimoramora izy taorian'ny nahitana azy nametraka fanontaniana manala baraka sy mampiady hevitra tamin'ireo mpandray anjara.
Osama no anarany ary niara-niasa tamin'ny media mpamoaka vaovao isankarazany izy.