Tsaroan'ilay safiotra Vietnamiana-Amerikana poeta, Ocean Vuong, ny fiatombohan'ny niainany ny fifindrany monina, tamin'ny aliny voalohany tao Amerika niforetany tanaty efitra tery kely, tsy nisy fanaka tao Connecticut niaraka tamin'ny havany enina sy siny “old man chicken” iray.
“Nanana KFC izahay, izay mbola antsoin'ny fianakaviako foana hoe ‘old man chicken’ hatramin'izao noho ny endriky ny Col. Sanders eo amin'ireo siny,” hoy i Vuong. “Tena nangatsiaka tamin'izay, nanomboka nilatsaka ny orampanàla ary renao mitefotefoka amin'ny varavarankelin'ilay tranobe, ary ao anatin'io siny toa mahagaga io izahay no mantsaka sy misotro ity dite nentinay nanaraka anay ity, dia nanomboka nifampitantara tantara.”
Ireny tantara nozarain'ny fianakavian'i Vuong tamin'ireo ankizy tamin'izany fotoana izany ireny dia norariany ho ao anatin'ny fitambaranà tononkalo vaovaony, “Night Sky with Exit Wounds” (Lanitry ny Alina sy Ratram-Pilefàna). Tononkalo mijery ny omaly sy ny ampitson'ny fiainana ao Vietnam ary Amerika, tsy ny fahatsiarovana ny lasa loatra fa fandraketana ny fiantraika faran'ny ady izay mbola manakoako any amin'ireo andian-taranaka.
Vietnam Atsimo, 29 Aprily 1975: Fampielezampeon'ny Tafika nandefa ny hiran'i Irving Berlin’ “White Christmas” ho toy ny marika hanombohana ny “Operation Frequent Wind – Rivotra Matetika”, famindràna toerana farany atao an'ireo sivily Amerikàna sy Vietnamiana tamin'ny alàlan'ny angidimby nandritry ny fahalavoan'i Saigon.
Felana Milkflower eny an'arabe toy ny rovitry ny akanjon-jazavavy iray.
Ho feno hafaliana sy hamirapiratra anie ny andronao…
Fenoiny ‘champagne’ ny kaopin-dite-ny, ampanantoniny ho eny imolony (razazavavy).
Sokafy, hoy izy (ralehilahy).
Sokafany. (razazavavy)
Etsy ivelany, miaramila iray mandrehoka
ny sigarany no dindony
mameno ny kianja toy ny vato nianjera avy any an-danitra.
Mba ho fotsy anie ny Noelinareo rehetra satria tsy hanaisotra eny am-balahany ny fitoeram-basiny ny mpiambina ny fifamoivoizana.
Ny tànany mitety ny somotraviavin'ny akanjo fotsy (-ndrazazavavy) .
Ireo masony mainty.
Ny volo fotsy (ndrazazavavy).
Fanala tokana monja.
Ny alok'izy roa: lahinjiro roa.
Fiaraben'ny tafika iray no mihazakazaka mamakivaky ny sampanan-dàlana,