An-tsary: Vahoaka Nitokona Tao Shahbag

Tamin'ny zoma 8 Febroary 2013, olona an'arivony no nanomboka nameno ny Projonmo Chottor (Kianja Generation) tao Shabagh hatramin'ny maraina ho firaisankina amin'ny fanoherana ataon'ireo mpibilaogy maro sy ireo mpisera maro ao amin'ny aterineto. Tamin'ny 3 ora tolakandro nanomboka nihira ny hiram-pirenena ireo vahoaka niangona tao Dhaka renivohitr'i Bangladesh. Tena sarotra ny hilaza hoe firy no isan'ny olona tafangona teo ho fanoherana am-pitoniana tamin'io andro io. Maro no mitovy hevitra fa efa ho 200.000 olona no nanatevina laharana ilay hetsika ho firaisankina ho fangatahana sazy henjana ho an'ireo mpamono olona an'ady. Efa hatramin'ny Talata no nanohy tsy ankiato ny fitokonany ireo Mpibilaogy sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiserasera ao amin'ny aterineto. Nanatevina izao hetsi-panoherana izao ihany koa ireo mpianatra sy mpampianatra maro, ireo mpandàla ny fahalalàhana, ny ao amin'ny fiarahamonim-pirenena ary ny fianankavian'ireo maritioran'ny ady.

 

Nizara ireo fitakiany sy ny vaovao mahakasika ireo hetsika samihafa tamin'ny alàlan'ny habaka atao hoe Shahbag.org ireo mpitokona. Tao ihany koa no nampahafantaran'izy ireo mikasika ny hetsi-panoherana nanerana izao tontolo izao ho fanehaa firaisankina amin'ny fitakian-dry zareo. Azon'ny olona atao ny mandray vaovao tsy tapaka ao amin'ny Twitter, tenifototra #Shahbagh ary #Shahbag. Mampita ireo vaovao farany, sary, hevitra manokana ary lahatsary ireo pejy Facebook isan-karazany toy ny Shahbag Movement ary Shahbag Square . Alefa mitsitapitapy amin'ny alalan'ny “livestream”, izay azonareo arahana, ireo fihetsiketsehana ao Shahbag. Ny fanavaozana farany tao dia ny fampielezana mivantana tamin'ny radio ny kabary sy ny teny faneva.

 

Afaka mijery ireto sary manaraka ireto ianao mikasika ilay hetsika tamin'ny zoma. Arif Hossain Sayeed no naka ny sary rehetra ary efa nahazoana alàlana ny fampiasàna azy ireo.

 

 

Ankizy mandray anjara amin'ny hetsika fanangonan-tsonia faobe.

Fitakiana ataon'ny mpanao hetsika “Takianay ny szy fara-tampony”

Fitakiana ataon'ny mpanao hetsika “Ilainay ny fanasaziana lehibe”

Ramatoa efa antitra namonjy ny hetsi-panoherana

Fientanentanan'ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana

Manohitra ny fahanginan'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena.

Tovovavy tanaty fitokonana fitorevahana

Nitohy ny alina ny fitokonana

 

Teny faneva – Mbola hitohy ny tolona

Teny Faneva sy peta-drindrina manohitra ireo mpamono olona an'ady

Asa Famoronana ataon'ny mpitokona

Vahoaka mpitokona

Teny fanevan'ireo olona mpitokona

Ankizy ao anaty vahoaka maro be

Ankizy mandray anjara amin'ny fitokonana ihany koa

Vahoaka maro be nandritra ny fitokonana

 

Exit mobile version