Bahrain: Rehefa Manohitra Ireo Mpiondana Teknolojia

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Tamin'ny Sabotsy nisy vondrona manampahaizana amin'ny Teknolojia nanao fihaonambe ho fanoherana ny governemanta ary nitondràna sorabaventy amin'ny fomba sy fitenin'ireo “mpiondana”. Teny an-toerana ilay mpandefa bitsika, Jalal Al-Jazeeri @JTheIslander, izay sady mpiondana teknolojia rahateo ihany koa ka nandefa tamin'ny alalan'ny bitsika an'ireto sary ireto izay maneho ny sasany amin'ireo asa famoronana tena mahaliana

@JTheIslander mihirahira hoe: “IT Sinna o shia” plixi.com/p/81757795

Ny diabe itondràna sorabaventy manohitra ny governemanta, amin'ny fomba sy filazan'ireo mpiondana Teknolojia azy

“IT Sinna o Shia” dia tandindona hafan'ny teny filamatra efa nisy nampiasa izay midika hoe “Mpirahalahy, Sunna sy Shia”

@JTheIslander Ny sora-pamantarana ny fihaonamben'ny mpiondana teknolojia manohitra ny sivana. plixi.com/p/81752318

Voasakana ny fanehoan-kevitra

Ity sora-pamantarana ity dia maka endrika mitovy amin'ilay pejy mampahatahotra  “Vohikala Voabahana” ampiasaina rehefa miditra aminà pejin'ny vohikala iray voarara any Bahrain.

Naneho ny fihetseham-pony tamin'ny alalan'ny baiko PHP momba ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Shaikh Khalifa bin Salman Al-Khalifa, ihany koa ireo mpiondana teknolojia..

Baiko php an'i @JTheIslander ao anatin'ny fihanonamben'ireo mpiondana amin'izao. plixi.com/p/81753449

Dikan'ny Baiko PHP : Hitohy foana izahay hikiaka ny hoe "Mialà Mialà i Khalifa" raha mbola eo amin'ny fahefana foana izy

..ary ny lalam-pohy amin'ny fitendry!

@JTheIslander SHIFT+DELETE KHALIFA! plixi.com/p/81754122

Ireo mpiondana teknolojia maneho ny fihisatra faran'izay ratsin'ny aterineto nandritra ny andro voalohan'ny hetsi-panoherana

@JTheIslander ILAY PEJY MANGAN'NY FAHAFATESANA! plixi.com/p/81754415

Ny soratra hoe Revolisiona eo anatin'ilay faritry ny fijerena ny fivoaran'ny fanokafana pejy (Progress Loading bar)

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Exit mobile version