Bilaogera Maleziana nosamborina noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny bilaoginy

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny iray tamin'ireo bilaogin-dahatsorany tamin'ny taona 2006 ilay bilaogera Maleziana Nat Tan. Nogiazana ny solosainy sy ny solosainy entin-tanana. Notanana vonjimaika nandritra ny efatra andro i Tan, mba hanamorana ny fanadihadiana eo ambanin'ny Lalàna Ofisialin'ny Tsiambaratelo (OSA).

Exit mobile version