Hetsika isantaona fanaon'ny Vondrom-piarahamonina Twitter
Ankoatra ilay Tetiandro Twitter, nametraka fomba fanao maro hafa ny vondrom-piarahamonina Makedoniana ao amin'ny Twitter izay ahitana hetsika roa hafa fanampiny fanao isantaona, tanterahana rehefa faran'ny taona.
Ny fomba fanao voalohany, manangana Hazo Noely vita avy amin'ny tavoahangy plastika nangonina, natao hampiroboroboana ny fanentanana mikasika ny hasarobidin'ny fanodinana akora. Nanomboka tamin'ny 2011 izy io, izay nentanin'ny ohatra iray avy tany Kraunas, Litoania.
Miomana amin'ny alalan'ilay tenifototra #ЕлкаМК ireo mpandray anjara, manakambana ny teny ”elka” izay midika hoe hazo kesika ary koa ny soratra famantarana ny firenena MK. Ny dikanteny Makedoniana an'ilay fiteny hoe ”Hazo Krismasy” dia ”Hazon'ny Taombaovao” (новогодишна елка) ary ampifandraisina amin'ny fankalazana ny Taombaovao, fa tsy dia hoe ilay fankalazana ny Krismasy araka ny fomban'ny Kristiana Ortodoksa loatra, izay ankalazaina araka ny Tetiandro Ntaolo rehefa 7 Janoary.
Ahitana fivoriana izay itondran'ny mpandray anjara tavoahangy plastika amin'ny lokony maro samihafa ilay hetsika fandraisana andraikitra, manakambana azy ireo haka endrika hazo. Karazana fankalazana ny fanahin'ny fihavanana ihany koa ilay hetsika, miaraka amin'ny sakafo sy zava-pisotro ifampizaràna.
#ЕлкаМК е готова! ?? pic.twitter.com/5sT8sEBh6q
— #ЕлкаМК (@ElkaMK_) December 23, 2018
Antsoina hoe #LokaTwitter (#ТвитерНагради) ilay hetsika mahazatra fahatelo ary mampiditra fifidianana iombonana ao amin'ny sokajy toy ny ”tenifototra tsara indrindra” ary lehilahy na vehivavy mpampiasa Twitter ”tsara indrindra”, ary hatramin'ny hoe ”mpahay rafibika tsara indrindra” sy fanomezam-boninahitra hafa. Mahatonga azy ho somary miteraka adihevitra ny natiorany, satria tena kely ny fahatokisan'ny vahoaka ao anatin'ny fiarahamonina Makedoniana noho ny fanararaotan'ny rafi-pifidianana ataon'ireo antoko politika, noho izany ananan'ny olona ahiahy daholo ny karazana fifidianana rehetra.
Браво на организаторот/е на #ТвитерНагради и истрајноста, покрај толку многу хејтање, да опстане овој настан…
— Kalin Babusku (@kalinbabusku) December 23, 2018
Dona kely ho an'ireo mpikarakara ny #LokaTwitter tamin'ny fikirizan'izy ireo izay nitazona ity hetsika ity ho velona foana na teo aza ireo fanehoankevitra feno fankahalana…
Aorian'ilay fifidianana an-tambajotra, atlotra mandritra ny hetsika ho an'ny daholobe ireo loka izay ahitana seho an-tsehatra ary fifaneraserana eo anivon'ireo samy mpampiasa Twitter mety mbola tsy nihaona nivantana mihitsy taloha. Manome hasina ihany koa ireo mpikambana ao aatin'ny vondrom-piarahamonina izay nodimandry nandritra ny vanim-potoana teo aloha ny Loka Twitter.
Вчера појдов на #ТвитерНагради, @vikohyeah се потрудил да ни угоди на сите и да резимирам …
-бев најстариот таму
-многу млади и убави момци и девојки
-фалеа “твитербожества” ама како и се во државава клапата покажа надменост и не се појавија…
-@kamijon007 е прекрасна !— Професор Цветковиќ (@tome_corner) December 23, 2018
Nankany amin'ny #LokaTwitter aho omaly, nanao ezaka mba hampifaly anay rehetra i @vikoheyeah, noho izany toy izao no hamintinako azy…
– Izaho no olona antitra indrindra tao anaty efitrano
– Feno tovolahy sy tovovavy tanora ary tsara tarehy
– Tsy tany ireo ”Andriamanitry ny Twitter”, toy ireo [sangany] hafa ao amin'ity firenena ity, naneho avonavona izy ireo ary tsy nipoitra…
– Manja be i @kamijon007!
Na dia tsy mahatonga ny Twitter Makedoniana ho tsy manam-paharoa aza ilay tetiandro, ilay hazo Krismasy, ary ireo fety fizarana loka, mampiseho ny fahafahan'ity tambajotra sosialy ity hamorona vondrom-piarahamonina sy hitondra fiovàna sosialy tsara izany.