Mananika ny 90 ny olona mamono tena isan'andro.
30000 anatin'ny taona iray.
Ny antony voalohany hamonoana tena dia ny hakiviana.
Mazava ho azy, io no ambony indrindra raha eo amin'ireo firenena mandroso.
Na izany aza, be loatra io, tena gaga aho.
Vao tsy ela akory izao, no nahitàna fanadihadiana maro mahakasika trangana famonoan-tena amin'ny alalan'ny “gaz de sulfure d'hydrogène”.
Manantena aho fa hihena io isan'ny famonoantena io…
Mba hisorohana ny famonoantena (na koa hoe mba hisarihana ny olona hanana faniriana hiaina), ny ilaina dia fihetsempo ahatsapan'ny olona iray fa ilaina izy, ary ilay olona maniry ho ilain (ny fiarahamonina, mponina…sns) dia ilaina tokoa, araky ny hevitro
Reko fa mihamaro ny famonoantena amin'ny alalan'ny “gaz de sulfure d'hydrogène”.
Na efa an-dalana aza ny fanesorana ireo akora simika sy ny fampahafantarana ny fomba fanamboarana “gaz de sulfure d'hydrogène”, fanapahankevitra vonjimaika ihany izany “izay mety” hampihena ny isan'ny olona mamono tena “amin'ny alalan'ny sulfure d'hydrogène” “amin'izao fotoana izao”. Na inona fanapahankevitra mety ho raisina, raha mbola toy izao foana ny fiarahamonina misy, mety tsy hihena mihitsy ny tahan'ny famonoantena
Sary lehibe ho an'ny fanentanana manohitra ny famonoantena ao Tokyo : “Satrinay ianao hiaina”
Misy amin'ireo blaogera no manakiana ny fomba fiasan'ireo filazam-baovao manoloana ilay tranga. Ito blaogera ito izao dia manolotra sosokevitra ny amin'ny tokony hanafoanana tanteraka ny famoahana vaovao mikasika famonoantena :
自殺の連鎖を食い止める方法をなんとかせないかんの違いますかね?
Fa tsy tokony hanao zavatra ve isika manoloana ny fiverimberenana famonoantena ?
Marina fa zava-dehibe ho an'ny filazambaovao ny mitatitra ny marina,
saingy manao ahoana raha ajanona tanteraka any ny fampitàna ny resaka famonoantena amin'ny “gaz de sulfure d'hydrogène” ?
Mora sarihana amin'ny fanomezambaovao ny Japone, ary mora antitra ny zavatra iray rehefa tsy hita amin'ny televiziona intsony, izay no hevitro.
Marina, mora leo kely ny olona. Fotoana vitsy lasa izay, nisy ilay “Korea boom” sy “Hankachi Oji (Mpanjakan'ny mosoara)”, Tadidinao ? Mihevitra aho fa betsaka ny zavatra tsy ho tadidin'ny olona raha tsy mandeha amin'ny haino aman-jery intsony.
*Ankoatr'ireo tena mpankafy an'ireny zavatra ireny angaha.
「毒ギョーザ事件」
ほら。忘れてたでしょ?
Ilay raharaha hena baolina vita tamin'ny trondro nahapoizina olona
Hitanao, hadinonao tanteraka ilay izy?
まだ問題は解決してませんが、うやむやのまま流れていくんです。
私も含め、そういう日本の特質というんでしょうか
飽きっぽいのは悪い癖だと思うんです。
Mbola tsy voavaha ilay olana, kanefa hijanona ho tsy voavaha eo. Toy ny karazana toetoetrin'ny Japone mihitsy ilay izy, izaho ao anatin'izany
Fahazaran-dratsy ilay izy raha ny hevitro.
Ary araka izany, raha tsy mamoaka vaovao mikasika ny “sulfure d'hydrogène” intsony ny filazambaovao, angamba mety ho tapaka ihany ilay tsingeringerin'ny famonoantena!!
Izany no marina! Any amin'ny haino aman-jery ny fanalahidy!!…ooof
Noresahan'ilay blaogera taishibrian ny fomba nahalasa ny aterneto ho sehatra hironan'ny kiana ary notsipihany koa fa tsy manaraka ny toromarika avy amin'ny OMS momba ny famoahana trangana famonoantena ireo filazambaovao Japone :
Eo amin'ny ny tontolo malalaka sy marindranon'ny aterineto, misy, ohatra, ireo vohikala mikasika ny fanafotsiana amin'ny alalan'ny “sulfure d'hydrogène”, eo koa ireo vohikala manoritsoritra akora simika mahafaty haingana kokoa noho ny “sulfure d'hydrogène”. Na izany aza, tsy omena malalaka ny olon-tsotra akory ireo torohay ireo raha tsy hoe izy ireo mihitsy no manao fikarohana manokana, ary tokony ho jerena manokana koa ny mety hahalasa ireo haino aman-jery ho mpanoro ny fomba ahazoana izany torohay izany. Ny fepetra fanarahamaso izany anefa dia ho toy ny saka sy voalavo mifanenjika ary hiteraka tsingeringerina eo foana : [voalohany manana] harina fandrehitra ianao, avy eo “sulfure d'hydrogène”, ary avy eo ny …