23 Martsa, namono ankizy 8 mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany i Zheng Minsheng tao Nanping
12 Aprily, nisy lehilahy iray tao Hepu namono ankizy 8 mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany
28 Aprily, nisy lehilahy iray tao Leizhou nanindrona antsy ankizy 16 mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany
29 Aprily, nisy lehilahy iray tao Taixin nanindrona antsy ankizy 32 teny amin’ny akaninjaza
30 Aprily, nisy lehilahy iray tao Shandong Weifang nidaroka mpianatra 5 ary avy eo nandoro ny tenany ho faty
Nandika ny sasany tamin’ireo fanehoankevitra nivoaka teo no eo momba ireo tranganà famonoana ireo ny ChinaSmack. Maro no mino fa lasa ny ankizy indray no iharan’ny valifaty noho ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina ary manome tsiny ireo mpamono olona noho ny famelezany ireo ankizy fa tsy ireo manampahefàna. Raha ny marina, nisy sary nandehandeha tao anaty aterineto, ary avy eo tamin'ny alàlan'ny imailaka rehefa nofafàna ilay izy, mampiseho teny filamatra napetraky ny ray aman-dreny teo ivelan'ny faritra fianarana any aminà akaninjaza iray. Mivaky toy izao izany: manana ny fototra niaingany ny tsy rariny ara-piarahamonina sy ny trosa, miodina miankavanana ianao dia mahita ny tranom-panjakana.
Tamin’ireny andianà tranga famonoana mampalahelo vao haingana ireny, nisafidy ny akaninjaza sy ny sekoly ambaratonga voalohany ho lasibatra ireo mpamono olona. Ao am-pon'ireo izay te-hamaly faty eo amin'ny fiarahamonina, lasa lamaody ny famonoana ny ankizy mpianatra satria izy ireo no tsy dia manohitra indrindra, amin’izay afaka mamono faran’izay betsaka indrindra sy miteraka ny tahotra ara-piarahamonina goavana indrindra izy ireo. Izany no fomba tena mahomby hamaliana faty eo amin'ny fiarahamonina. Ankoatra an'i Yang Jia, ny malemy no tena lasibatr’ireo mpamono olona. Tsisy fivoahana eto amin’ity fiarahamonina ity ka ny famonoana ny malemy no lasa hany fialan’izy ireo.
Tsy mahagaga raha nikoropaka nangataka an'ireo masoivohom-baovao sy vohikala lehibe ny sampandraharahan’ny fampielezankevitra mba tsy hametraka ireo vaovao ireo eo amin'ny pejy voalohany. Mazava ho azy fa eo ihany koa ny antony avy amin’ilay fampirantiana ao Shanghai araka ny nohazavain'i Kai Pan tao amin’ny china/divide. Na izany aza, manome ny rariny ho an'ny ankizy ve ny governemanta? Mitsikera izany i Twocolds :
Voahara-maso ny vaovao momba ny famonoana tao amin'ny akaninjaza tao Taizhou. Samy ratsy fitotonana na ny fahaterahana na ny fahafatesan’ireny ankizy rehetra ireny. Anatin'ny rivo-pankalazàna, lasa feo manakorontana ny fahafatesan’izy ireo. Ny fantatsika fotsiny dia hoe 32 ireo olona naratra tamin'ny famonoana tao amin’ilay akaninjaza tao Taizhou. Nanamafy ny governemanta sy ny hôpitaly fa tsy nisy ny aina nafoy, kanefa ny tsaho dia nilaza fa maro tamin'izy ireo no maty. Iza no tokony inoako? Ndeha inoantsika ny governemanta, saingy maninona ary no raràny ny ray aman-dreny tsy hitsidika ny zanany?