Ireo Fotoana Manan-tantara Indrindra An-Tsary Tao Myanmar Tamin'ny Taona 2016

Daw Aung San Suu Kyi and senior military officials photographed during the official power transition ceremony on March 30 in which Myanmar’s outgoing President U Thein Sein handed over the presidential insignia to new President U Htin Kyaw at the presidential residence in Naypyidaw. (Photo: Hein Htet / The Irrawaddy)

Daw Aung San Suu Kyi sy ireo manampahefana ambony miaramila nopihana sary nandritra ny lanonam-pamindrana fahefana tamin'ny 30 marsa nanoloran'ny Filohan'i Myanmar U Thein Sein handao ny toerany ny marika ho an'ny Filoha vaovao U Htin Kyaw tao amin'ny toeram-ponenan'ny filoham-pirenena tao Naypyidaw. (Saripika: Hein Htet / The Irrawaddy)

Ity lahatsoratra ity dia avy amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao iray mahaleotena ao Myanmar, ary navoakan'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nivalona ny taona 2016, atolotry ny The Irrawaddy ho anao ireo saripika tsara indrindra nandrakitra ireo fotoana nanamarika ny taona tao Myanmar.

Noravan'ny governemanta teo aloha, tamin'ny febroary, ny fibodoan-tany tao amin'ny tany azo ambolena tao Dagon sy Seikkan, tanàna itatry ny renivohitra Yangon . (Saripika: Hein Htet / The Irrawaddy)

Tantsaha manohitra ny fanokafana indray ny toeram-pitrandrahana varahina tao Sagaing kaominina Salingyi tamin'ny 5 mey sy nitakiana fanonerana avy amin'ny orinasa shinoa Wanbao Co. (Saripika: Myo Min Soe / The Irrawaddy)

Ankizy milalao ao amin'ny tobin'ny mponina nafindra toerana tao Mai Ja Yang ao amin'ny fanjakana Kachin tamin'ny 16 jolay. (Saripika: Hein Htet / The Irrawaddy)

Tsena afovoan-tanànan'ny kaominina Kangyidaunt dobon-drano tamin'ny 12 aogositra, faritra Irrawaddy. (Saripika: Pyay Kyaw / The Irrawaddy)

Nisy fihovitrovitry ny tany matanjaka mahatratra vaika hatramin'ny 6,8 nandravarava ny faritra afovoan'i Myanmar tamin'ny 24 aogositra ary nanapotika pagôda sy tempoly miisa 396 tao amin'ny renivohitra taloha tao Bagan. (Saripika: Zaw Zaw / The Irrawaddy)

Ny Filohan'i Myanmar U Htin Kyaw miresaka amin'i Daw Aung San Suu Kyi taorian'ny fihaonamben'ny fandriampahaleman'ny taonjato faha-21 tao Panglong tamin'ny 3 septambra tao Naypyidaw. (Saripika: Pyay Kyaw / The Irrawaddy)

Miaramilan'ny mpanohana ny governemanta ao amin'ny Border Guard Force (BGF) manao ny fiambenana manaraka ny lalan'i Methawaw ao amin'ny fanjakana Karen nisian'ny fifanandrinana nifanaovan'ny Tafika An-tsitrapo Demaokratika Karen (DKBA) tamin'ny hery miaradia ao amin'ny BGF sy ny Tafika Burma tamin'ny 22 Septambra. (Saripika: Myo Min Soe / The Irrawaddy)

Polisy Birmana eo amin'ny fefin-tsisintany ifanoloran'i Myanmar sy i Bangladesh taorian'ny fanafihan'ny mpitolona ny foiben-toeran'ny polisin-tsisintany sy toeram-pisavana tao amin'ny kaominin'i Maungdaw, fanjakan'i Arakan tamin'ny 9 oktobra. (Saripika: Hein Htet / The Irrawaddy)

Exit mobile version