Fotoana Tsy Hay Adinoina Tao Myanmar Tamin'ny Taona 2015

Supporters of the opposition National League for Democracy celebrate the party’s historic election win on Nov. 8, 2015. Photo by J Paing / The Irrawaddy

Mpanohana ny mpanohitra Ligim-pirenena ho an'ny Demaokrasia mankalaza ny fandresen'ny antoko tamin'ny fifidianana manan-tantara tamin'ny 8 Novambara 2015. Sary avy amin'i J Paing / The Irrawaddy

Dika nasiam-panovana tamin'ny lahatsoratra iray avy amin'ny The Irrawaddy, vohikalam-baovao tsy miankina ao Myanmar ity, ary navoaka eto amin'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tondra-drano manerana ny firenena, ady ara-poko mitohy sy fandresena miezinezin'ny antokon'ny mpanohitra, Ligim-pirenena ho an'ny Demaokrasia. Izany no sary tamberin'ny taona 2015 mendrika hotsaroana amin'ny tantaran'i Myanmar tao amin'ny The Irrawaddy .

1. Hetsiky ny mpianatra manohitra ny Lalànan'ny Fanabeazana ao amin’ Firenena. Nampitandrina ny mpikatroka fa hanamafy orina ny fitondrana miaramila ny lalàna ao amin'ny firenena.

Mpianatra mpanao fihetsiketsehana manohitra ilay antsoin'izy ireo ho Lalànan'ny Fampianarana manafay ao amin'ny firenena, mandao ny fari-piadidiana Taungtha, Mandalay tamin'ny 28 Janoary 2015. Sary: J Paing / The Irrawaddy

Polisy manafika ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana ao Letpadan, Distrikan'i Pegu tamin'ny 10 Martsa 2015. Sary: J Paing / The Irrawaddy

2. Mitohy ny ady ara-poko na dia eo aza ny fanatontosana fifampiresahana momba ny fandriampahalemana sy ny fanaovan-tsonia ny fifanarana fampitsaharana ady. Nafotaka nandritra ny taompolo maro sahady ny ady an-trano ao Myanmar. Namindra toerana mponina an'arivony manerana ny firenena ny ady.

Mpiasan'ny Vokovoko Mena Moe Kyaw Thein, naratra tao anatin'ny fifampitifirana tao amin'ny arabe eo anelanelan'i Laukkai sy Chin Shwe Haw ao amin'ny faritra Kokang, nobataina hovonjena izy tamin'ny 17 Febroary 2015. Nafotaka nandritra ny taompolo maro ny ady an-trano ara-poko ao Myanmar. Sary: J Paing / The Irrawaddy

Vehivavy nafindra toerana noho ny fanafihana ankehitriny ataon'ny Tafika Myanmar amin'ny vondrona ara-poko mitam-piadiana Kachin sy Shan, izay tsy nety nanasonia ny fifanarahana fampitsaharana ady an'ny governemanta, 15 Oktobra 2015. Sary avy amin'i Steve Tickner / The Irrawaddy

3. Todra-drano sy loza voajanahary. Nitaraina noho ny fitaredretran'ny fahatongavan'ny fanampiana avy amin'ny governemanta tamin'ny volana Aogositra ireo lasibatry ny tondra-drano.

Mponina ao an-toerana mitondra vatsy fanampiana ao amin'ny arabe Gangaw-Hakha akaikin'ny tanàna Lan Thoke ao amin'ny Fanjakana Chin tamin'ny 28 Aogositra 2015 taorian'ny tondra-drano mahery vaika sy ny fihotsahan'ny tany manerana ny fanjakana. Sary avy amin'i Sai Zaw / The Irrawaddy

Mponina ao an-toerana mandeha sambo ao amin'ny kaominina Nyaungdon, Distrika Irrawaddy tamin'ny volana Septambra taorian'ny todra-drano nanafotra ny fonenan'izy ireo. Sary: Thaw Hein Htet / The Irrawaddy.

4. Manasonia ny Lalànan'ny Fivavahana sy ny Foko. Nanasonia lalàna efatra natao hiarovana ny kolontsaina sy ny fomba fiaina ao amin'ny firenena i Myanmar, izay Bodista avokoa ny ankamaroan'ny mponina ao aminy. Saingy nilaza ny mpitsikera fa manavakavaka ny Silamo sy ny vondrona vitsy an'isa hafa ny lalàna.

Moanina Bodista avy amin'ny Fikambanana ho an'ny Fiarovana ny Foko sy ny Fivavahana, fantatra koa amin'ny hoe Ma Ba Tha, mivory ao amin'ny kianjan'i Thuwunna ao Rangoon tamin'ny 4 Oktobra 2015 mba hankalaza ny fampiharana ny Lalàna fiarovana ny Foko sy ny Fivavahana. Milaza ireo mpitsikera sasany fa manavakavaka ny olona Silamo vitsy an'isa ny lalàna. Sary avy amin'i Hein Htet / The Irrawaddy

5. Fandresen'ny Ligim-pirenena ho an'ny Demaokrasia tamin'ny Fifidianana ankapobeny. Nahazo fandresena miezinezina ny mpanohitra, nandresy ny antoko tohanan'ny miaramila. Mahaliana fa gadra politika taloha ny ampahafolon'ireo mpandresy, anisan'izany ny filohan'ny NLD sy mendrika tamin'ny loka Nobel, Aung San Suu Kyi.

Hetsiky ny mpitondra posiposy ho an'ny NLD tao Mingalar Taung Nyunt an'i Yangon ao Rangoon tamin'ny 27 Septambra 2015. Sary: J Paing / The Irrawaddy

Mpiasam-panjakana nandatsa-bato tao amin'ny birao fandatsaha-bato tao amin'ny kaominina Zabuthiri ao Naypyidaw nandritra ny fifidianana tamin'ny 8 Novambra 2015. Sary avy amin'i J Paing / The Irrawaddy

Vehivavy mampiseho ny ankihikeliny misy ranomainty rehefa avy nifidy tamin'ny fifidianana 2015 tao amin'ny kaominina Bahan ao Rangoon, 8 Novambra 2015. Sary: Steve Tickner / The Irrawaddy

6. Fihaonana manan-tantara teo amin'ny lehiben'ny miaramila sy Aung San Suu Kyi. Maro no manantena fa hitarika any amin'ny fahefana tetezamita milamina ao amin'ny firenena ny fihaonana.

Filohan'ny NLD, Aung San Suu Kyi nihaona tamin'ny Jeneraly Min Aung Hlaing tao amin'ny biraon'ny lehiben'ny komandy ao Naypyidaw  tamin'ny 2 Desambra 2015. Sary: Htet Naing Zaw / The Irrawaddy

Exit mobile version