Tantara tamin'ny 30 Desambra 2015
Fotoana Tsy Hay Adinoina Tao Myanmar Tamin'ny Taona 2015
Dingana lehibe teo amin'ny tantaran'ny firenen'i Myanmar ny fandresen'ny mpanohitra tao Myanmar manoloana ny antoko tohanan'ny miaramila. Izany sy ireo zava-nitranga hafa tsara ho tsaroana tamin'ny taona 2015 ao Myanmar
Taorian'ny 525 Andro Nitànana Azy Ireo Am-ponja , Miaro Ny Tenany Eo Anoloan'ny Fitsaràna Ireo Etiopiana Mpisera Amin'ny Aterineto

Navela hiaro ny tenany teny amin'ny fitsaràna, nolàvin'ireo Etiopiana mpisera amin'ny aterineto ny vesatra hoe manao hetsika manakorotana fanjakana ary notantarainy ny fampijaliana sy ny fanavakavahana ara-poko tany am-ponja.
Rosiana Bilaogera: Voasazy Hifonja Dimy Taona Noho Ny “Kabary Fankahalàna”

Voaheloka noho ny kabary fankahalàna sy antso ho amin'ny fanaovana an-tendrony tety anaty aterineto i Vadim Tyumentsev, Rosiana bilaogera avy ao Tomsk, ary nahazo sazy famonjàna mandritry ny dimy taona noho ireo lahatsary nakàriny tao amin'ny Youtube sy VKontakte.
Tantara fito tato amin'ny Global Voices be mpamaky indrindra nandritra ny taona 2015 (teny anglisy)
Tsy vitan'ny hoe nahasarika ny mpamaky indrindra ireto tantara manaraka ireto fa an-jatony ireo nizara, naneho hevitra, nankasitraka azy ireo tao amin'ny media sosialy sy ny haba-tranonkalanay.
Ny Tolon'ny Kiobàna Mpifindra-monina Mihoatra Ny Arivo Tafahitsoka Tao Amerika Afovoany
Kiobàna manakaiky ny 1.500 no tafahitsoka tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Costa Rica sy Nikaragoa, rehefa nolavin'i Nikaragoà ny fidiran'izy ireo, ary nampody azy ireo an-kerisetra sady naneho marimarina ny hoe "fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena."