Nipoaka Ny Volkano Goavana Indrindra Tao Japana, Namoaka Sary Tao Amin'ny Instagram Ny Mpizahatany

Mount Aso erupts

Fanazavana: “Lavenona mahatonga hatrany amin'ny 2.000 metatra teny amin'ny rivotra. Andrasana mbola hitohy ny fipoahana, miaraka amin'ny tsipotipoti-bato volkanika mety hhitoraka hatrany amin'ny 1 kilaometatra farafahakeliny.” Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny ANN News.

Tendrombohitra Aso, volokano lehibe indrindra ao Japana no nipoaka tampoka teo amin'ny 9:40 maraina teo tamin'ny Alatsinainy 14 Septambra. Voalohany izao tao anatin'ny 36 taona no nipoahany indray.

Azo sary tamin'ny fakan-tsary napetraka teo amin'ny fitobiam-piarakodia, faritra mahatazana ny volkano ny lahatsarin'ny fipoahana.

Miorina ao amin'ny nosy andrefan'i Kyushu tokony ho 1.200 km miala an'i Tokyo, manana ny iray amin'ireo kaldeirà  [moro-paribolana nateraky ny volokano mirefy amina kilaometatra] lehibe indrindra manerantany ny Tendrombohitra Aso. Ahitana tanàndehibe, tany fiompiana sy faritra ambanivohitra falehan'ny mpizaha-tany manerantany ny boriborin'ny kaldeirà mirefy 120 kilaometatra.

Nanery ireo mpizahatany hiala amin'ny toerana ny fipoahana, saingy tsy alohan'ny nandefasan'izy ireo sary vitsivitsy mahatalanjona tao amin'ny Instagram.

Tsy manino-tsy maninona izahay! aza manahy!

Azo jerena manerana ny lemaka rehetra manodidina ny volokanon'ny Tendrombohitra Aso ny fipoahana.

Tonga hatrao amin'ny vondrom-piarahamonina miorina ao anatin'ny kaldeirà ihany koa ny lavenona.

Ash fell like raindrops [all over my car]. Gulp!

Milatsaka tahaka ny orana [manerana ny fiarako] ny lavenona. Ops!

Maro ny mpitsidika avy any amin'ny firenen-kafa no nampiditra ny sarin'ny fipoahana tao amin'ny Instagram, anisan'izany ity vondrona mpanao fitsidihana avy any Taiwan ity:

This is like witnessing a miracle.

Tahaka ny mahita fahagagana imaso.

Nandefa tsanganana maromaro tao amin'ny Instagram izay mampiseho lahatsary mahavariana misy ny fipoahana ny mpisera Instagram iray aokaeru :

Tafaka-tsehatra tao amin'ny Instagram avy hatrany i okaeru, ary natonin'ireo sampam-baovao isan-karazany maro te ahafantatra raha azo ampiasaina ny lahatsariny.

Sarin'ny fipoahana navoaka ara-potoana.

My cousin was also freaked out when he saw the eruption.

Natahotra ihany koa ny rahalahiko rehefa nahita ny  fipoahana.

Na dia nambara fa ivelan'ny fetra [mampididoza] aza ny 4 kilaometatra manodidina ny fitosahana ,tsy mora amin'ireo olona monina ao anatin'ny kalderà ny miaro ny tranony amin'ny fotoana hisian'ny fitosahana goavana kokoa.

I just arrived in Kumamoto, and Mount Aso seems to be… erupting?

Vao avy tonga tao Kumamoto aho, ary toa mipoaka ny Tendrombohitra Aso ?

Tsy maintsy mianatra miaina miaraka amin'ny rahon-davenona ireo mponina ao an-toerana atsy ho atsy.

This is the first time Mount Aso has erupted since 1979.

Sambany nipoaka ny Tendrombohitra Aso hatramin'ny 1979.

Mampiseho ny haben'ny kaldeiràn'ny Tendrombohitra Aso ity tazana an'habakabaka ity.

Nanampy tamin'ny fanatontosana ny lahatsoratra i Oiwan.

Exit mobile version