名古屋のイケメンゴリラ「シャバーニ」が海外で話題に! http://t.co/ClRXhMUCU2 #まとめ pic.twitter.com/IUAwQvbEqf— あかしや いっとく (@BrenanStaci) June 28, 2015
Lasa ventin-dresaka iraisam-pirenena teny anaty fifanankalozan-kevitra ì Shabani, “Ikemen Rajako”-n'i Nagoy !
Miaraka amin'ny fijery sy fipetraka manaitra toy ny an'ny lasibika ary ireo maso milaza zavatra, Shabani no antony mampidoboka miaraka ny fon'ireo ankizivavy ao Japana.
Saingy tsy mpilalao sarimihetsika vao misandratra na lasibika miaka-tsehatra akory i Shabani.
Mponina ao amin'ny Valan-javaboahary sy Zaridaina Botanika Higashiyama ao Nagoya nanomboka ny taona 2007, rajako Ostraliana iray i Shabani izay nanjary nampihetsi-po noho ireo masony manaitra sy bikany toy ny lasibika tsara tarehy
Ny anaram-bositr'i Shabani ve? Rajako “ikemen” no ahalalàna azy any Japana. Ny teny “ikemen” dia midika “bandy mahataratara” any Japana
シャバーニ ネギを食べる姿も渋くてカッコイイ #シャバーニ #東山動植物園 #ファインダー越しの私の世界 pic.twitter.com/TaXIYvhVLw
— 葉月 (@hazukikameraman) June 26, 2015
Tsara jerena sy tsotra be no sady eo am-pihinanana tongolo ihany
Ankoatra ny fisarihana tsy tapaka andian-tanora tovovavy mpitsidika babon'ny hatsaran-tarehin'i Shabani sy ny firodorodoana hisarika ny sainy, lasa niparitaka be tao amin'ny media sosialy i Shabani.
Nizara sary isankarazany ireo mpampiasa aterineto, amin'ny fanehoankevitra momba ny hatsaran-tarehiny.
シルバーバックが見事。 #シャバーニ @ 東山動植物園 https://t.co/OzuviI9AwN
— hanemimi (@hanemimi) June 25, 2015
Tsara tarehy ny lamosiny toa volafotsy!
Niampita ny sisintanin'i Japana ny fahalianana amin'i Shabani ankehitriny. Na izany aza, mifamahofaho ny fanehoan-kevitra avy any Andrefana momba ilay rajako .
Raha mino ireo sasany mpampiasa Twitter fa afaka hanjaka amin'ny sehatra manerantany i Shabani raha tiany…..
this gorilla is hotter than most of my ex-boyfriends http://t.co/lFk2sQk9uF
— Jessica Roy (@JessicaKRoy) June 26, 2015
manaitaitra kokoa noho ny ankamaroan'ireo tovolahy sakaizako fahiny ity rajako ity.
…ireo hafa mpampiasa Twitter avy any ivelan'i Japana nanoratra ity sombin-tantara iray hafa ity: “Japana Hafahafa”
Oh for f*ck's sake, REALLY, Japan? This is why the rest of the world is so weirded out by you. Stop it! #シャバーニ http://t.co/fxNNVdOySW
— Misono Allen (@misonoallen) June 25, 2015
Oh noho ny resa-body, MARINA ve, Japana? Izany no mahatonga izao tontolo izao ho hafahafa aminao. Ajanony izany!
Ankoatra izany, misy ireo mihevitra fa tsy mitombina mihitsy ilay fomba fijery hoe “Japana Hafahafa”
Hiroko Tabuchi, mpanao gazety ao amin'ny The New York Times, izay zatra nandrakotra ireo vaovao avy any Japana, manan-kambara toy izao:
#BSAlert: Women swoon over handsome gorilla in Japan “where surveys show many young ppl have no interest in dating” http://t.co/u51OjgIfB4
— Hiroko Tabuchi (@HirokoTabuchi) June 28, 2015
#BSAlert: Vehivavy taitram-pilàna aminà rajako tsara tarehy any Japana “toerana izay amoahan'ny tatitra fa maro ny tanora no tsy liana amin'ny fampiarahana”
Wd you ever write that/believe that abt women in your own country? The weird fiction that gets made up abt love/sex in Japan is ridiculous.
— Hiroko Tabuchi (@HirokoTabuchi) June 28, 2015
Mety hanoratra/hino izany momba ny vehivavy ao amin'ny firenenao ve ianao? Mahatsikaiky ilay tantara hafahafa noforonina izay natao momba ny fitiavana/firaisana ara-nofo any Japana.
Indrisy anefa ho an'ireo mpankafy azy, efa vita resaka ny momba izany ho an'i Shabani
Izy no lahin'ny rajako vavy roa, Ai sy Nene, ao amin'ny valan-javaboaharin'i Higashiyama, sady rain'ireo zanany roa, lahy sy vavy
Ankoatra izany, toa tsy tonga saina tanteraka, na farafaharatsiny, tsy miraharaha ny làzany sy ny fitomboan'ny fahalinana aminy ilay rajako
うーむ。 イケメンってなんだ? おいしいのか・・・? #ゴリラ #シャバーニ pic.twitter.com/RY90mXQZ7R
— 名古屋市東山動植物園 (@higashiyamapark) May 18, 2015
Hmm… Ikeman iray? Manontany tena aho raha mba matsiro izany…?