Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

05 Jolay 2015

Tantara tamin'ny 05 Jolay 2015

Sary 16 Mahazendana Ahitàna An'i Azia Atsimo Atsinanana Avy Eny Amin'ny Zanabolana

Sokafan'ny Google Earth ho antsika ny hakanton'ny tontolo miavaka sy mampitolagagan'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana

Ao Amin'ilay Tanàna Ahitàna Herisetra Be Indrindra Erantany, Ampiasain'ireo Mpanao Graffiti “Ny Fitaovany” Ho Amin'ny Tsara

Tao anatin'ny taona efatra nifanesy, i San Pedro Sula, Honduras, no nahazo ny anaram-boninahitra ho ny tanàna nisy famonoan'olona be indrindra teto an-tany. Manantena ny hanova izany ireo mpanakanto mpanao graffiti, miaraka aminà loko atsifotra sy fahaizana mamorona.

Rosia: Mahazo Alàlana Hitifitra Vehivavy Ny Polisy Raha Tsy Hoe Mitondra Vohoka Angaha Iry Voalohany

Akon'ny RuNet

Maniry ireo Rosiana mpanao lalàna ny hanitatra ny fahafahan'ny polisy misitraka ny tsimatimanota amin'ny fampiasàna fitoavam-piadiana, hahafahany mitifitra andian'olona na vehivavy.

Fanehoan-Kevitra Grika Mirehidrehetra Tamin'ny Fanisana Sisam-Potoana Nataon'ny CNN

Niteraka tadiom-panehoankevitra tao amin'ny fiarahamonina grika an-tserasera ny fanisana ny sisam-potoana mankany amin'ny mahabankirompitra an'i Gresy, nataon'ny CNN.

Mampidi-Doza ny Demaokrasia ao Ekoatera ny Fifanenjanana eo amin'ny Governemanta sy ny Mpanohitra

Raha mbola mitohy ny hetsi-panoherana sy ny hetsika manohitra ny hetsi-panoherana ao Ekoatera mialoha ny fahatongavan'ny Papa Fransoà dia tratran'ny fahirano ny fototry ny demaokrasia, hoy ny nosoratan'ny mpanadihady iray.

Olona 100.000 Isan-Taona no Ampijalian'ny Aretina Raboka sy VIH

"Afaka nanafoana ny lefakozatra i India tamin'ny alalan'ny misionany manokana. Fa maninona no tsy atao amin'ny programa miady amin'ny TB/VIH ny fahamehana tahaka izany?"

A-WA Hoy i Israely — ‘Eny!’ — Ho An'ireo Mpirahavavy Yemenita Mihira

Tsy vao ela akory, ireo Jiosy avy any amin'ny firenena Arabo monina any Isiraely - antsoina hoe Mizrahim - no jerena ho toy ny saranga amin'ny antanan-tohatra faharoa. Fa ankehitriny, "lasa mahafinaritra ny maha-Mizrahi ."

Steven Salaita: Nahazo Asa Ao Amin'ny Anjerimanontolo Amerikana Ao Beirut, Miresaka Ireo Politikan'ny Mainty Hoditra Sy Ny Firaisankina Amin'i Palestina

Taorian'ny fandàvana ny hitànany andraikitra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Illinois noho ireo bitsika miaro ny Palestiniana, i Salaita no ho lasa Edward W. Said lehiben'ny Fianarana momba ny Amerikana Studies ao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Beirut

Rajako Japoney “Tsara Tarehy”: Fihetseham-pon'ny Media Sosialy

ireo olona sasany any ivelan'i Japana nanoratra sombin-tantara iray hafa hoe: "Japana Hafahafa", saingy tsy mitombina mihitsy izany ho an'ny rehetra.