Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Kony 2012.
Nandray kihon-dàlana iray vaovao ny fanentanana iray anaty media sosialy mba hanairana ny saina hanohana ny fisamborana ilay Ogande mpitarika ady anaty akata sady mpanao heloka an'ady efa karohana fatratra, Joseph Kony. Anaty lahatsoratra am-bilaogy iray mitondra ny lohateny hoe “#Kony2012 dia fakàn-tahaka mahatsiraiky,” Sean Jacobs dia mijery ireo lahatsary fakan-tahaka mahatsikaiky mikasika ilay fanentanana miely be
Ilay masoivoho Aostraliana “rap news agency” dia namokatra ny fakan-tahaka mahatsikaiky iray mtondra ny lohateny hoe “Yes We Kony”, na “Eny mi-Kony izahay” [Fanamarihan'ny mpandika: nampiasaina ho toy ny matoateny ilay anarana eto]:
Tarika iray mpanao hatsikana antsoina hoe Bath Boys Comedy no nitarika ny fanentanana iray antsoina hoe Tony 2012: Sambory Ilay Sakadia. Tony ilay Sakadia dia ilay sary ahafantarana ny tantara an-tsary natao ho an'ny sakafo maraina vita amin'ny varim-bazaha Kellogg's Frosted Flakes, hita eo amin'ny fonony sy ny dokambarotra.
Raha ny fahitàna azy, Adolph Hitler dia naneho hevitra tamin'ilay lahatsary fanentanana Kony 2012 :
StabOfMyVenom, mpampiasa YouTube dia nanambatambatra ny sasantsasany tamin'ireo tsonga tsara indrindran'ireo vazivazy Joseph Kony 2012 :
Ilay fanentanana Kony 2012 dia nokianin'ireo Ogande maro izay milaza fa ilay lahatsary dia manatsotsotra loatra ny fifandirana any Avaratr'i Oganda. Mba ho fanoherana ny sary ratsy omena an'i Afrika ao anatin'ilay lahatsary, dia nibitsika mikasika ny “zavatra itiavan-dry zareo an'i Afrika” ireo Afrikana mpiondana aterineto, miaraka amin'ny tenifototra hoe #WhatILoveAboutAfrica.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Kony 2012.