Nipoaka ny fihetsiketsehana tao Nouakchott, renivohitr'i Maoritania androany, taorian'ny fifanatonan'ireo tanora tany anaty aterineto mba hiantso fihaonambe, izay mitaky fanovàna ara-tsosialy, ara-politka ary ara-toekarena, sy fampitsaharana ny fitondra-miaramila ao Maoritania.
Maherin'ny 2000 ireo mpanao fihetsiketsehana voalaza fa nilahatra tao amin'ny Kianja Blockat, toerana noheverin'ny sasany hilasiana, mandra-pivalin'ny fitakian-dry zareo. Anisan'ny fitakian-dry zareo ny hanakanana ny fiakaram-bidin'ny fiainana ary ny hamahàna ny olan'ny tsy fananana asa. Ny hafa miteny manohitra ny fanavakavahana sy famongorana ny fitondra-miaramila. Ity hetsiky ny tanora ity dia manaraka ireo izay efa natrehan'ny masontsika nanerana ny tontolo Arabo hatramin'ny fitroarana Toniziana – ireo tanora nifanatona, na teo amin'ny tontolo virtoaly, na nifankahita mivantana mihitsy, dia manao fanoherana an-dalambe mandra-pivalin'ny fitakiany.
Nifanandrify tamin'ny hetsika tanora mitovy aminy tany Bahrain, Iraka, Alzeria, Moraoka, Jordania, Yemen ary Libia ny hetsiky ny tanora any Maoritania.
Ao anaty Pejy Facebook iray, milaza ny iray amin'ireo vondrona niantso hetsi-panoherana fa:
Mivaky toy izao ny hafatra:
Na dia toa 200 ihany aza no nilaza ho tia ny pejy, toa miha-hita maso izany hetsi-panoherana izany, satria ireo tanora Maoritaniana dia milahatra mitaky fahalalahana sy demaokrasia.
Ity misy sary fanehoana ny zava-niseho androany tao amin'ny Twitter:
@NickKristof: Mitatra amin'ny faritra vaovao hafa ao Afrika ny fitakiana demaokrasia, toy ny any: Kamerona, Gabon, Zimbabwe, Maoritania.
@Dima_Khatib: Andro hafa kely ! Ejipta, Tonizia, Maoritania, Yemen, Libia, Jordania, Bahrain, Iraka… dia aiza koa? Manao hetsika an-dalambe ny Arabo.
@Malakyz: Ny andraony no manamboatra ny tantara: Hetsi-panoherana any #Libia, #Yemen, #Ejipta, #Tonizia, #Bahrain, #Moraoka, #Iraka, #Palestina, #Jordania, #Maoritania. FIRAISANKINA
@ZEKELMOUDEN: Tanora an'arivony izao no milahatra ao Maoritania mitaky ny fanatsaharana ny fitondra-miaramilan'i Aziz izay mifehy ny firenena, fari-piainana mendrika sy ny tena demaokrasia.
Akhbar mandefa bitsika hoe (Ar):
@bandolero69: Ireo onjam-panoherana dia niely hatrany amin'ny fanjakana mahantran'i Maoritania, izay olona an-jatony no nidina an-dalambe tao Nouakchott.
@mauritaniedem1: Nandeha an-tongotra ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana mba ho any #blockatesquare, satria nosakanan'ny fanjakana daholo ny fiarabe mpitatitra. #Mauritania #feb25 http://yfrog.com/h4xygxp
@buthaina: Oooooay eee!! #Now #Mauritania! Tonga soa #Nouakchott – #Responsible #Freedom #Democracy #Fail #Corruption
@Doylech: Nahazo anarana ankehitriny ny kianja lehibe ao Nouakchott ao #Mauritania ,eny, kianja Tahrir (kianjan'ny fanafahana)
@vatyma: #Mauritania: Hoy ny hiakan'ireo mpanao fihetsiketsehana “Bayteen wa mkamleen layn timshou 3ana kamleen!” (hatory eto izahay manomboka izao ka mandra-pialan'ny mpitondra)
@Abdarrahmen: Avy ao amin'ny kianjan'i Blockate #Mauritania http://twitpic.com/43o2c4
@Abdarrahmen: Saket Lash ” Maninona ianao no tsy miloa-bava ” Avy ao an-kianjan'i Blockate #Mauritania http://twitpic.com/43o4r4
@AbdallahJeilany: Nanomboka nanangana ny tranolainy ireo mpanao fihetsiketsehana ary miezaka mandamina ny zavatra rehetra satria manahy ry zareo sao hisy jiolahimboto handrava ny hetsika #Mauritania
@mauritaniedem1: Maherin'ny 5000 izao ireo mpanao fihetsiketsehana ary mitombo foana ry zareo. :)#Mauritania
Abdullah Jellany manazava (Ar):
Abdellahi2 manampy (Ar):
@mauritaniedem1: jiolahimboto vitsivitsy no niezaka nidaroka ny mpanangom-baovaon'ny #Aljazeera, Mohamed Baba Achefagha. saingy niaro azy kosa ireo mpanao fihetsiketsehana. #Mauritania
@AbdallahJeilany: nisy jiolahy saika handroba banky teo akaikin'ny Blockate saingy nosamborin'ny mpanao fihetsiketsehana ry zareo ka nilamina ny raharaha #mauritania
@mauritaniedem1: Mijoro manohitra ireo jiolahimboto ao #Mauritania ny mpanao fihetsiketsehana mba hisorohana ny asa fandrobana ka dia milamina ny raharaha. #’Feb17
@Abdarrahmen: Iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no saika handoro ny tenany tao amin'ny kianjan'i Blockat, saingy voasakan-dry zareo ihany tamin'ny farany #Mauritania
@: Saket Lash “Maninona ianao no tsy miloa-bava ” #mauritania http://twitpic.com/43p61h
@Abdarrahmen: Ny fahitalavi-pirenena dia mandefa sary mikasika ilay hetsika tamin'io andro io, sahala amin'ny hoe dika/petaka tamin'izay niainana tany amin'ny fahitalavi-pirenen'i Ejipta-libia #Mauritania
@Doylech: Nampanantena ny Praiministra Maoritaniana fa hanatsara ny tontolo ara-toekarena ary hanome sombin-tany ho an'ireo mahantra aorian'ny hetsika #mauritania
@virtualactivism: Nouachkut: maniry ny hialàn'ny fitondrana ny vahoaka’. Andriamanitra masina indrindra o!!! lasa koa izao i #Mauritania. Tolo-kevitra ny ahy hoe foano izao dieny izao ny Ligy Arabo
@mauritaniedem1: Fahalalahana no anarako, teraka tany Tonizia, nobeazina tany Ejipta, nianatra tany Yemen sy #Mauritania, niady tany Libia ary ho olon-dehibe eo amin'ny tontolo Arabo.
Sary maro avy amin'ny androany no azonao jerena ao amin'ny pejy Facebook-n'ny hetsika eto sy ato.