Meybodema namoaka sary maromaro tamin'ny fitsidihan'i Ahmadinejad an'i Libanona ary nanatsonga ny tenin'i [fa] Sayyid Hassan Nasrallah, mpitarika ny Hezbollah, izay nidera ny Repoblika Islamika sy nampandroso an'i Mahmoud Ahmadinejad.
Navoitran'ny mpamaham-bolongana moa ny nolazain'i Nasrallah fa tsy araka ny feo aely etsy sy eroa tsy akory fa, “Manohana ny tratry ny tsindrihazolena i Iran”.
Sayeh Azadi indray namoaka indray (jereo etsy ambony) ny sariitatra nataon'ilay mpanao tantara an-tsary Iraniana Nikahang tao amin’ ny Roozonline [fa] izay mitondra ny lohateny hoe “ny nofinofin'i Ahmadinejad momba an'i Libanona”.
Nanisa ny antony mahatonga ny vahoaka Libaney handray tsara an'i Ahmadinejad i Z8unak. Nosoratan'ny [fa] mpamaham-bolongana fa:
Nahoana ianao no gaga raha tsara ny nandraisana an'i Ahmadinejad tany Libanona? 20 taona taorian'ny adin'i Iran sy Iraq, mbola tsy voaorina ny tanàna manakaiky sisintany nefa ny volantsika no hananganan-trano any Libanona. Maro amin'ny Iraniana no tsy mahaloa vola raha manatona dokotera na hopitaly ka misy hatrany ny maty isan'andro vokatr'izany, nafe maro ny hopitaly aorin'i Iran any Libanona.
Mollah manoratra amin'eso:
Tsy nahita zava-dratsy nentin'ny fitondrana Iraniana ny Libaney. Raha Libaney isika ka nahazo vola dia ho mpanohana ny Repoblika Islamika… Nilaza izy ireo fa tsy miraharaha na tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana no nahazoany fahefana na mampijaly ny vahoakany izy… fa alefaso fotsiny ny dôlaka (dôlara).