Nandray kihon-dalana vaovao indray ny kizo politika mihatra eto Madagasikara. Tao anatin'ny tetika hampana-kery ny fitondrana malagasy tohanan'ny miaramila eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, dia efa tafiditra handray fitenenana mandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana ao New York ny mpitondra an'i Madagasikara ankehitriny, Andry Rajoelina, tamin'ny alakamisy teo, saingy tsy afa-nandray fitenenana. Nampidirina handray fitenenana indray ny lehilahy ny zoma saingy, nanambara ampahibemaso ny fanoherany ny handraisany fitenenana manoloana ny fivoriambe ny solontenan'i Repoblika demaokratikan'i Kôngô, misolo tena ny Southern African Development Community (SADC) raha iny handray fitenenana iny indrindra izy. Natao ny fandatsaham-bato(fr) ka ny valin'izany dia 23 no nanohitra ny hikabarian- dRajoelina, 4 no nanaiky ary 6 no tsy nilaza ny heviny. Voamariky ny fandresen-dahatra araka ny voalazan'ny lalàna ny nanaovana azy ary tsikaritra ny fisavoritahana raha arahina ny lahatsary navoakan'ilay mpamaham- bolongana Malagasy vatofototra:
Maro tamin'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Malagasy no nanaraka tamin'ny alalan'ny fandaharana mivantana an-tsarin'ny Firenena Mikambana sy nisioka (ni-twit) ihany koa fa niditra amin'ny fiolahana tsy fantatra indray ny krizy eto Madagasikara.
Raha hiakatra ny sehatra Rajoelina no nanamarika ny mpamaham-bolongana Malagasy Aliotsy:
Congo's rep just called on member states (SADC or UN?) to walk out on Rajoelina if he speaks. http://www.un.org/webcast/ #Madagascar #fb
Sanganehana ihany i Rashaja:
situation is quite funny actually…total mess, total confusion. President of Session and advisor not experienced enough? #UN #Madagascar
Nanampy i Samganegie (fr):
président de l'assemblé est même sorti de sa tribune, et ses assistant sont completement paumés !!#madagascar .
Mifokofoko amin'ny toe-draharaha politika eto Madagasikara i Streetrover :
Rajoelina shunned at the UN, its ambassador @ UN publicly named in an internatnl bribery scheme on the same day! #madagascar needs a break!
Nitovy hevitra i HairyT sy i Solofo nilaza fa andro matroka eo amin'ny tantaran'i Madagasikara izao:
RT @solofo: What a shame for #Madagascar . I don't care about #Rajoelina/ RT Pdt Prevented from Taking Floor at #UN
Nanamarika ity toe-javatra ity koa ny bolongana mpanohana ny fitondrana Madagate (fr):
Ce moment irritant dans l’histoire de Madagascar fait déjà partie du passé. Car cette crise aura une fin, quoi qu’il puisse arriver. Pour le moment, la majorité des Malgaches de Madagascar commence à la vivre très mal car ils se perdent en conjectures.
Mandritra izany fotoana izany, velona indray ny rotaka rehefa nandamoka ny tany amin'ny Firenena Mikambana. Namoaka tao amin'ny twitter i Investgasy fa:
#Madagascar: shootings in Anosy (Tana) right now, armed 4×4 are everywhere
Nohamarinin'ny Reuters avy eo ny tatitra, milaza ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra fampitandremana natao tamin'ny mpanao fihetsiketsehana.
Farany i Jentilisa dia nitatitra fa mitaky ny hampiharan-dRajoelina ny fampanantenana natao taminy ny tanora rezervista niara-nitolona taminy tany ampiandohan'ny krizy(mg):
..ny rezervista tanora, nitolona tamin'ny andron'ny TGV, hidina an-dalambe izy ireo hitondra sora-baventy satria tsy tanteraka ny fampanantenana natao tamin'izy ireo, toy ny hanomezana asa ho azy ireo tahaka ny hoe fampidirana azy ho miaramila ary hotsinjovina manokana ny rezervista nanohana ny tolona.