Tantara tamin'ny 30 Septambra 2009
Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet
Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.
Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy
Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.
Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena
Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.
Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana
Manazava ny mpilalao sarimihetsika George Clooney ny fomba ahafahanao mandray anjara sy hahatafidiranao ho isan'ny 5 mpandresy izay mety ho tsara vintana handray anjara amin'ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any amin'ny tanànan'i new York.
Honduras: fakana sary mandritra ny tsy fahazoana mivezivezy
Telo volana taorian'ny naharesen'ny filoha Mel Zelaya tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana izay heverin'ny sasany fa rariny ary ataon'ny hafa kosa ho tsy ara-dalàna, dia niverina tany Honduras izy ny 21 septambra...
Singapaoro: Mampiady hevitra ny faripahaizan'ilay Oliravina
Voahosotra ho Oliravina manerantany Singapaoro 2009 ao Singapaoro ny mpianatra 19 taona Ris Low, mpianatra, 19 taona tamin'ny zoma 31 jolay 2009. Fotoana fohy tato aoriana, nalaina sary sy feo...
Global Voices sy ny Blog Action Day 2009
Global Voices dia blaogy mpiara-miasa ofisialin'ny Blog Action Day amin'ny 15 Oktobra, andro iraisana hihetsehana izay iraisan'ireo mpitoraka blaogy rehetra hina hanoratana momba ny fiovaova'ny toetr'andro.
Filipina: Tondra-drano an-tsarimihetsika nataon'ireo mpampiasa aterineto
Ampahantsary maro avy amin'olon-tsotra no nandrakitra ireo fahavoazana sy faharavana nentin'ny rivo mahery tropikaly izay namely ny Metro Manila sy ny faritany manodidina azy akaiky tany Philippines tamin'ny Alahady lasa teo.