Tsy ampy azy Okraina : avoitran'ny fanadihadiana iray ny tetika ataon'i Rosia hakàna ny fifehezana an'i Môldavia

Namorona departemanta faha-11 ao anatin'ny tontolo taorian'ny Firaisana Sôvietika i Kremlin

RSE Moldova mitatitra sary fiantsoana fandàvana ny fanodikodinan-tsaina ataon'ny vahiny. Eo ankavanana, mivaky hoe”Miala tsiny, manana ny ankafizinay indrindra sady vaovao izahay”. Fanehoana nahazoana alàlana

Misy ampahany betsaka amin'ny tanin'i Môldavia no eo ambany fifehezan'ireo hery mitaky fisintahana sy mpiaradia amin'i Rosia, tsy misy hafa amin'i Zeorzia sy Okraina. Ny faritra tsy nahazo fankatoavana ao Transnistria dia miasa ho toy ny tobin-tafika rosiàna fotsiny izao ho an'i Kremlin mba hitazonana ny tsindry ara-tafika ataony amin'i Môldavia sy Okraina – fa araka ny avoitran'ny fanadihadiana iray tsy ela akory izay, hatreto i Maosko dia mikatsaka izay hifehezana ny fiainana pôlitika ao Môldavia.

Ny 31 Oktôbra, nisy andiana mpanao gazety mpanao fanadihadiana fantatra amin'ny anarana hoe RISE Moldova, notohanan'ireo mpiara-mitantsoroka aminy, Dossier Centre, namoaka antontan-kevitra iray nomena lohateny hoe « Ireo mpiandraikitra môldavy ao amin'ny FSB [Sampandraharaham-Piarovana Federalin'i Rosia] » (azo raisina ihany koa amin'ny fiteny anglisy), nandinika ny fomba ataon'i Rosia hividianana fitarihankevitra pôlitika ao Môldavia. Raha raisina anaty kajy ny ady ataon'i Rosia ao Okraina mpiray vody rindrina aminy, ary mba hahatakarana ny fihetsik'i Maosko, ny Global Voices dia nitafa tamin'ny fiteny rosiàna, tamin'ny alàlan'ny hafatra afenina, tamin'i Vladimir Thorik, mpikambana ao amin'ny RISE Moldova.

Global Voices (GV) : Araka ny fanadihadiana nataonareo, manana drafitra matotra momba an'i Môldavia ny FSB Rosiàna, ary namorona mihitsy aza « departemanta manokana faha-11 » mba hiasa fotsiny momba io firenena io. Maninona i Môldavia no tena manan-danja be tokoa?

Молдова, включая ее сепаратистский приднестровский регион (объявленный ПАСЕ зоной российской оккупации), для нынешней администрации России — лишь плацдарм. Основная цель администрации Путина, – получение коридора для последующего контроля, как минимум, над юго-восточными областями Украины, с которыми граничит Молдова. 

По данным наших собеседников из правоохранительных органов Молдовы и Украины, основной штаб ФСБ расположен в Приднестровье, — на территории, неподконтрольной конституционным властям Молдовы. Здесь не только российская военная база, куду вербуют рекрутов из местного населения. В Приднестровье, уверяют наши информированные собеседники, россияне обучают и координируют кадры для нелегальной работы по региону, особенно югу Украины. 

Пока этот сепаратистский, контролируемый Россией, регион труднодоступен для молдавских и украинских спецслужб, здесь российские инструкторы имеют возможность собирать данные о жителях всей Молдовы, а также готовить диверсионные группы. И мобилизовать местное население на случай, если путинские войска добьются успеха в Николаевской и Одесской областях.

Toeram-pamaharana iray fotsiny ho an'i Maosko i Môldavia, isan'izany ny faritra mpitaky fizakantena ao Transnistria(hoy ny APCE [Antenimieran'ireo parlemantera ao anatin'n'y Filankevitr'i Eorôpa]. Ny tena tanjon'ny fitantànan’ Poutine dia ny  hananana lalantsara ahafahana farafaharatsiny mifehy ny ilany atsimo-atsinanan'i Okraina, faritra miray sisintany amin'i Môldavia.

Araka ny loharanoom-baovaonay avy ao anivon'ny sampandraharaham-piarovana môldavy sy okrainiàna, ao Transnistria no foiben-toeran'ny FSB izao, ao anatin'ireo faritany tsy ambany fifehezan'ny governemanta ara-dalàna ao Môldavia. Mampiantrano toby miaramila rosiàna iray i Transnistria, toby mandray ireo miaramila ao aminy avy amin'ireo mponina eo an-toerana ihany. Araka ireo loharanonay, izay azo antoka, dia manofana olona ny Rosiàna ary manaparitaka azy ireny hiasa tsy ara-dalàna ao amin'ilay faritra, indrindra fa ao atsimon'i Okraina.

Raha mbola misy io faritra mpisintaka ambany fifehezan'i Rosia io ka sarotra ho an'ireo sampandraharaham-piarovana môldavy sy okrainiàna ny hiditra aminy, dia malalaka tsara amin'ny fanangonana angondrakitra momba ny Môldavy tsirairay ireo rosiàna mpanofana ary afaka manetsika  ny vahoaka eo an-toerana raha vitan'ny tafik'i Poutine ny mandrakotra ireo faritra okraniàna ao Mykolaïv sy Odessa.

GV : Misy môldavy marobe mpanao pôlitika sy manandanja ary vonona ny hiaro ny tombontsoan'i Maosko tononinareo. Ho anareo, inona no mety manosika azy ireny?

Основными молдавскими политиками, на которых последние годы кураторы из ФСБ  направили внимание своей агентуры, можно назвать экс-президента Молдовы Игоря Додона и приближенных к нему из Партии социалистов, а также беглого молдавского бизнесмена Илана Шора, возглавляющего одноименную Партию Шор. Кому-то из молдавских политиков, видимо, нужна была не только материальная, но и методологическая поддержка на выборах. Например, мы обнаружили случай, как в Кремле редактировали текст предвыборного выступления башкана Ирины Влах, — главы автономного правительства Гагаузии, что на юге Молдовы.

Думаю, этим молдавским деятелям может понадобится и политическое влияние, которым Кремль много лет обладал на постсоветском пространстве и в Евросоюзе. Это может помочь марионеточным правителям национальных политических элит налаживать каналы для обогащения своих кланов, Кремль им предоставляет инструменты спецслужб для участия в бизнес-процессах, контролируемых пока еще Москвой. 

Своих подопечных из Кишинева в Кремле знают давно. Кстати, их курируют не только офицеры ФСБ, но и в «молдавском отделе» Кремля, которым много лет руководят офицеры Службы внешней разведки (СВР). Причем так успешно курируют, что, например как полковник СВР Игорь Маслов, их за молдавских опекаемых повышают по служебной лестнице до начальника одного из управлений в Кремле. 

Конечно же, с молдавскими подопечными редко встречаются лично генералы ФСБ. Как связных (посредников) могут использовать тех же российских политтехнологов, работавших на молдавских выборах в окружении Додона и, вероятно и партии Шора, с 2019 года. Или работников посольства России в Молдове. Кроме россиян под дипломатическим прикрытием, с молдавскими политиками встречаются также близкие ФСБ сотрудники общественных российских организаций и гуманитарных фондов. Иногда и сами эти политики сами летают к ним в Москву. У нас есть подтверждения этих фактам. 

Igor Dodon, ny filoha taloha tao Môldavia, sy ireo akaiky azy ao anatin'ny antokony sôsialista, no anisan'ireo pôlitisiàna goavana ao Môldavia nahasarika ny sain'ireo mpiandraikitra ny FSB tato anatin'ny taona vitsivitsy farany ; misy ihany koa an'i Ilan Sor, Môldavy mpandraharaha any am-pandosirana any, mpitarika ny antoko mitondra io anarana io ihany: ny Antoko Șor. Toa tsy ny vola ihany no notadiavin'ireo Môldavy pôlitisiàna sasantsasany, fa koa ny fomba fiasa rehefa fotoam-pifidianana. Ohatra, tsikaritray fa i Kremlin no nanoratra ireo andalana tamin'ny kabarin'i Irina Vlah nialoha ny fifidianana, ilay filohan'ny governemanta mizaka tena ao Gagaouzie, faritra iray ao atsimon'i Môldavia.

Izaho mihevitra fa mety ho ilain'ireo olo-maventy môldavy ireo ihany koa ny fitarihankevitra pôlitika ampiharin'i Kremlin efa hatry ny taona marobe ao anatin'ny tontolo taorian'ny vanimpotoana sovietika, sy koa ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna. Mety afaka hanampy ireo mpitondra saribakoly ao anatin'ireo sangany ara-pôlitika izany mba hametrahana fomba hampitomboana ny haren'ny ankolafy misy azy ireo. Amin'io fomba io, omen'i Kremlin an-dry zareo ireo fitaovana ho an'ireo tolotra manokana ho entina mandray anjara amin'ireo dingana ara-barotra, eo ambany fanarahamason'i Maosko.

Efa hatry ny ela no fantatr'i Kremlin ireo olona arovany ao Chișinău. Tsy hoe fotsiny manamboninahitra avy amin'ny FSB no manara-maso azy ireny, fa eo koa ny « departemanta môldavy » ao amin'ny Kremlin, izay efa nandritra ny taona marobe no teo ambany fitantanan'ireo manamboninahitra avy amin'ny Sampandraharaha Fitsikilovana ny Ivelany (SVR). Ankoatra izay, voara-maso amin'ny fomba mahomby izy ireny ka afaka mahazo fisondrotana eo amin'ny asany ao Môldavia mba ho lasa, ohatra, lehiben'ny iray amin'ireo departemanta ao amin'ny Kremlin – toy ny an'ny kôlônely Igor Maslov avy amin'ny Sampandraharaha Fitsikilovana ny Ivelany.

Mazava ho azy fa zara raha mihaona amin'ireo môldavy olona arovany ireo jeneralin'ny FSB. Amin'ny maha-mpanelanelana azy ireo, afaka mampiasa ireo tetikady pôlitika mitovy amin'ny an'ny rosiàna ry zareo, tetikady efa niasa ho an'i Igor Dodon nandritra ireo fifidianana môldavy ary azo heverina koa ho an'ny Antoko Șor hatramin'ny 2019 – na mandalo amin'ireo mpiasan'ny masoivoho rosiàna ao Môldavia. Ankoatra ireo Rosiàna miasa ho toy ny diplaomaty, ireo mpiasa akaiky ny FSB, any anatina fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ireo tahirimbola rosiàna ho an'ny maha-olona, dia mifanerasera amin'ireo Môldavy pôlitisiàna izy ireny. Indraindray, ireo pôlitisiàna tenany mihitsy no mandray fiaramanidina mankany Maosko mba hihaona amin'izy ireny; anananay fanamafisana ny amin'ireo zavamisy ireo.

VAKIO MISIMISY KOKOA : « Nampangotraka ny fifidianana izay ho filohampirenen'i Môldavia ny tantara ratsy momba ireo mpanolotsaina avy any Kremlin (amin'ny fiteny anglisy) »

GV : Marihan'ny fanadihadiana nataonareo fa ilay faritany tsy nahazo fankatoavana ao Transnistria dia mety ho atao teboka fiaingàna ho amin'ny fananihambiohitra amin'ny ampahany na manontolo an'i Môldavia, na ho toy ny vavahady fahatelo mankao Okraina, taorian'ireo tao Rosia sy Belarosia.

О возможном захвате Россией Приднестровья собеседники RISE Moldova и Центра «Досье» из спецслужб разных стран сообщали с весны 2022 года. На сегодняшний день мы выяснили, что варианты захвата приднестровского региона и правобережной Молдовы прорабатывали летом 2022 года разные аналитические группы в Кремле, в том числе в связанном с ФСБ аналитическом центре «Альфа-групп». 

В одном из отчетов, раздобытых Центром «Досье» и опубликованном в нашем совместном расследовании «Кураторы Молдовы из ФСБ», российские аналитики пришли к выводам: республика захвачена и контролируется извне в интересах Запада — в первую очередь Румынии и, Госдепа США. Совсем скоро, считают аналитики ФСБ, режим президента Молдовы Майи Санду окончательно узурпирует власть и уничтожит прокремлевскую оппозицию, что позволит устроить блокаду Приднестровья и начать военный шантаж России. 

«Альфовцы» рассматривают три сценария развития событий: создание Россией коридора до Приднестровья через южную Украину с последующим признанием региона (сейчас Россия официально не признает его независимость); вооруженный захват всей Молдовы; выход российской армии к границам Приднестровья без признания независимости.  Все три сценария несут в себе риски потери контроля над остальной Молдовой или, в случае полной оккупации Молдовы, «коллективного воя  Запада» и подрывной деятельности населения. 

Вместо этого близкие к ФСБ аналитики считают, что чтобы сохранить и увеличить влияние Кремля на Молдову, необходимо играть в долгую. Связанные со спецслужбами авторы сценариев развития событий предлагают Кремлю создать внутри Молдовы новые политические силы, которые лоббировали бы вхождение республики в состав России  — но уже от лица народа. 

Efa voalaza tao amin'ny RISE Moldova sy Dossier Centre, avy amin'ireo loharano avy amina sampandraharaham-piarovana samihafa hatrany amin'ny lohataoa 2022, ny mety ho fisian'i Transnistria voabodon'i Rosia. Hatreto, hitanay fa ny safidy hambabo an'i Transnistria sy Môldava dia narafitra tamin'ny lohataona 2022, nataon'ireo vondrona isan-karazany mpanadihady ao Kremlin, isan'izany ny vondrona Alpha, rantsana iray mifamatotra amin'ny FSB.

Ao anatin'ny iray amin'ireo tatitra voarain'ny Dossier Center ary navoaka tao anatin'ny fanadihadiana niarahanay « Ireo mpiandraikitra môldavy ao amin'ny FSB », ireo Rosiàna mpandalina dia tonga hatramin'ny fanaovana famintinana hoe babo ary fehezin'ny avy any ivelany ho amin'ny tombontsoan'ny Tandefana i Môldavia, indrindra fa babon'i Romania sy ny departemantam-panjakana amerikàna. Araka ny voalazan'ireo mpandalina ao amin'ny FSB, mety halaky amin'ny fisandohana fahefana ny fitondan-dramatoa filohan'i Môldavia, Maia Sandu, ary hamotika ireo mpanohitra mpomba ny rosiàna, hahatonga ny fanaovana fahirano an'i Transnistria ho azo tanterahana, ary vokatr'izay, hanaovana fandrahonana an'i Rosia amin'ny endrika ara-tafika.

Toejavatra telo mety hiseho no vinavinain'ireo mpikambana ao anatin'ny vondroa Alfa : ny  famoronan'i Rosia lalantsara iray mankao Transnistria mamakivaky ny ilany atsimon'i Okraina arahan'ny fankatoavana amin'ny fomba ofisialy ny fisian'ilay faritany (amin'izao fotoana izao tsy mbola ankatoavin'i Rosia amin'ny fomba ôfisialy ny fahaleovantenan'i Transnistria) ; ny fibodoana ara-tafika an'i Môldavia ; ny fipetrahan'ny miaramila ao anatin'ireo sisintanin'i Transnistria nefa sady tsy mankatoa ny fahaleovantenan'ilay faritra. Ireo toejavatra telo ireo dia samy ahitàna daholo ny ambana mety ho fahaverezan'ny fifehezana ny sisa amin'i Môldavia na, raha misy ny fibodoana manontolo ny firenena, dia « fahasorenana itambaramben'ireo Tandrefana » sy hetsika fisomparana ataon'ny vahoaka.

Ny mifanohitra amin'izay, ireo mpandalina mpiaradia amin'ny FSB dia mihevitra fa mba hitazonana sy hampitomboana ny dindon'i Kremlin ao Môldavia, dia tena ilaina ny maka fomba fijery lavitra ezaka. Ireo nandrafitra ireo toejavatra ireo, izay mifandray tokoa amin'ireo sampandraharaha manokana, dia manosoka hevitra ny hamoronana hery pôlitika iray vaovao ao Môldavia afaka ny  hanao tsindry amin'ilay firenena mba hidiran'ilay firenena hitambatra amin'i Rosia – saingy tsy maintsy amin'ny anaran'ny vahoaka môldavy no anaovana izany.

VAKIO KOA : « We also speak Russian in Moldova, but don't want to have anything to do with the so-called Russian World », hoy ilay M^ldavy mpanoratra, Iulian Ciocan [angl.]

GV : Inona avy ireo fanamby sy ambana atrehanareo mifamatotra amin'ny fanangonana vaovao  sy ny asa ataonareo ao Môldavia ?

Влияние российских спецслужб на политику Молдовы мы системно изучаем последние два года. Решили это делать после того, как стало известно, что это влияние настолько велико, что Игорь Додон, занимавший должность президента республики (с 2016 по 2020), дал себе никнейм Кремлинович (!). 

За все это время наблюдается запоздалая реакция правоохранительных органов на обнаруженные нами факты, свидетельствующих о вмешательстве России во внутреннюю политику Молдовы. Лишь после того, как в октябре США внесли в санкционный список трех и политтехнологов, разоблаченных нами еще в 2020 году в проекте Кремлинович, когда мы рассказали о том как группа россиян, среди которых была и психолог-гипнотизер, приехала в Партию социалистов действующего президента Игоря Додона в период, когда он пытался переизбраться на второй президентский срок.  Генеральная прокуратура заявила об уголовной проверке фактов влияния Кремля на избирательные кампании в Молдове спустя два года. Возможно, лучше спустя два года, чем никогда. Но это не точно….

Tao anatin'ny taona roa, nofakafakainay antsakany sy andavany ny fitarihan-kevitra ananan'ireo sampandraharaha manokana rosiàna ao anatin'ny pôlitika môldavy. Nanapaka hevitra izahay ny hanao izany taorian'ny nahafantarana hoe tena goavana be tokoa io fitarihan-kevitra io ka nahatonga an'i Igor Dodon, filoha môldavy ny 2016 hatramin'ny 2020, haàka ho an'ny tenany mihitsy ny solonanarana hoe Kremlinovich !

Nadritra io vanimoptoana io, tsikaritray ny valinkafatra tara loatra nasetrin'ireo sampandraharaham-piarovana môldavy an'ireo zavatra hitanay. Raisinay ho porofon'ny fitsabahan'i Rosia amin'ny raharaha anatin'ny firenenay izy ireny. Tamin'ny Oktôbra vao mba nihetsika ry zareo, rehefa nampidirin'i Etazonia ho ao anatin'ny lisitr'izy ireo ahitana ireo olona hosaziana ny telo tamin'ireo tetikady pôlitika tsikaritray [tao anatin'ilay fanadihadianay momba an'i Kremlinovich]. Nofaritanay ny fomba natao mba hampidirana ny andiany iray misy ireo teratany rosiàna, isan'izany ny psikôlôgy-mpampatory mitsangana iray, ho ao anatin'ny antoko sôsialista an'ny filoha tamin'izany fotoana izany, Igor Dodon, fony izy niezaka nanao izay mbola hahalàny azy indray. Roa taona no nilain'ny biraon'ny mpampanoa lalàna tao Môldavia mba hanambaràna ny fanokafana fanadihadiana iray mahakasika heloka bevava, hahafahana manamarina ireo zavanisy nifandray tamin'ny fitarihankevitra pôlitikan'i Kremlin tao anatin'ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana. Izaho mihevitra fa aleo tara taona roa toy izay tsy nisy mihitsy, na tsy dia azoko antoka loatra aza …

Exit mobile version