Ny hatsaràna mambabo ao Karaiba aseho amin'ny Instagram

Heverinao ho mahafantatra ny ao Karaiba ve ianao? Avereno sainina !

Soufriere, Dominica, tazanina avy any amin'ny morontsirak'i Scott's Head ao amin'ny tendro atsimo andrefan'ny nosy. Sary an'i janinephoto, nahazoana alàlana.

Iray amin'ireo fitodiana tsara indrindra ho an'ny fivezivezena eto amin'izao tontolo izao ny ao Karaiba — ary na ohatra aza ilay faritra ka matetika noheverin'ireo any ivelany ho toy ny lohasaham-bato (masoandro, ranomasina, fasika), ny faritra tsirairay, mamakivaky ilay vondronosy, dia manana endritany tazamaso, zavamaniry sy biby, fetibe sy kolontsaina miavaka.

Noho ny fiovaovàn'ny toetrandro mitondra loza mananontanona ho an'ny tany manontolo ( ary indrindra fa ho an'ireo firenena nosy manokana), lasa vao mainka zavadehibe kokoa ho an'ireo ao Karaiba ny mampifandray ny fizahantany, izay zavadehibe ho an'ny teokarena maro ao amin'ilay faritra, amin'ny fanentanana ho fahatongavantsaina momba ny tontolo iainana.

Nanao asa tsara toako ny kaonty Instagram MEP Caribbean Publishers, trano fanontàna izay mamokatra ny  Caribbean Beat — hatramin'ireo fanotàna hafa mitodika amin'ny resaka fivahinianana, toy ny Discover Trinidad and Tobago — tamin'ny fanasongadinana ny hatsaràn'ny faritra tao anatin'ny ezaka iray ho fampiroboroboana ny fizahantany tomponandraikitra sy lovainjafy.

Matetika asongadin'ireo fahana ao amin'ny IG (insatagram) ho anao ireo toerana tsy mampino (vitsy mpahalàla) izay hampivanàka anao…

Avy eny ambony

Seranana Elizabeth, sary an'i Wilfred Dederer

Ny tsy noeritreretina

Ireo tendrombohitra Pakaraima, ao akaikin'ny sisintany Guyana iraisana amin'i Brezila sy Venezoelà

Biby

Boloky maitso. Sary an'i Chris Anderson, navoaka tao anatin'ny Discover Trinidad & Tobago

Ny rano

Ny White River ao Ocho Rios hitondra ano any amin'ny morontsiraka avaratr'i Jamaika

Exit mobile version