Bilaogera nogadraina tao Nizeria

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Notanan'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-panjakana (SSS) tsy misy fiampangana, nanomboka ny Asabotsy 18 Oktobra 2008, ilay bilaogera Nizeriana monina any Etazonia, Jonathan Elendu, izay mibilaogy ao amin'ny Elendu Reports. Nosamborina rehefa tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Nnamdi Azikiwe, Abuja, avy any Etazonia i Elendu. Nohadihadiana ho nanao “asam-pampisaraham-bazana izy” .

Mibilaogy raharahan-kolikoly, raharaha politika ary ny fahasimban'ny tontolo iainana any amin'ny vinanin'i Niger izay manankarena solika i Elendu. Voalaza fa voasambotra izy mba hamaly fanontaniana mifandraika amin'ilay nolazaina fa ” olana amin'ny filaminam-pirenena“. Araka ny voalazan'ny RSF dia voampanga ho nandray anjara tamin'ny tranokalan'ny SaharaReporters izy , izay nofaritan'ny manampahefana Nizeriana ho toy ny “asa fanaovan-gazetin'ady anaty akata.”

Tsidiho ny bilaogin'ny Nigerian Curiosity izay mitantara misimisy kokoa momba ny fisamborana.

Exit mobile version