Rosia: Bilaogera ao Kemerovo iray hafa notoriana noho ny fanalam-baraka

(Lahatsoratra teny anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)

Natomboka ny raharahan-keloka bevava nanenjehana an'i Alexander Sorokin monina ao Kemerovo (aka mpisera LJ commentator40), hoy ny tatitra [RUS] avy amin'ny Echo Moskvy. Voampanga ho nanala baraka ny governoran'i Kemerovo, Aman Tuleev [EN] tamin'ny lahatsoratra iray [RUS] nampitaha ny governoram-paritra Rosiana tamin'ireo mpanao didy jadona Amerikana Latina i Sorokin. Ity no raharaha henjana faharoa [EN] amin'ny fanenjehana bilaogera ao amin'ity faritra ity tamin'ny taona 2010.

Exit mobile version