Niakatra fitsarana ilay Alzeriana bilaogera

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 11 Jona 2007, no fotoana voalohany niakaran'ilay bilaogera Alzeriana fitsarana noho ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny bilaoginy manokana. Notorian'ny Talen'ny Raharaha Ara-pivavahana tao amin'ny Tlemcen, izay niampanga azy ho namoaka lahatsoratra fanalam-baraka tao amin'ny bilaoginy manokana tamin'ny 20 Febroary 2007, tamin'ny lohateny hoe “ Niseho tao Tlemcen i Al Sistani ” i Abdulsalam Baroudi.

Manohana an'i Abdulsalam Baroudi ny fikambanan'ny mpanao gazety ao Tlemcen ary miantso ireo mpanao gazety sy mpanangom-baovao mba hiara-hiady amin'ny raharahany sy hitolona ho fiarovana ireo mpanao gazety sy bilaogera Alzeriana .

Exit mobile version