Tonizia: Nakatona ve ny Youtube?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)
Vaovao farany: Voamarina fa nakaton'ny mpamatsy aterineto rehetra Toniziana ny Youtube nanomboka tamin'ny 2 Novambra 2007.

Bilaogera Toniziana maromaro no nitatitra androany fa tsy afaka niditra tao amin'ny tranonkala fizarana lahatsary Youtube. Nandefa ity pikantsary ity taty aminay ny bilaogera Toniziana iray izay nanao fanarahan-dia avy ao tonizia mba hanamarina ny fanakatonana:

Raha marina izany, dia ny Youtube no tranonkala fizarana lahatsary faharoa nakatona tao Tonizia. Hatramin'ny 3 Septambra 2007, mbola nosakanan'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Dailymotion.

Exit mobile version